airtel

Toekarena

15-oct-2021

Toekarena

Fandraharahana isa-tanàna Nosantarina tao Bongolava ny Taninketsa Indostrialy

Sample post image

« Hapetraka eto Tsiroanomandidy, izay fantatra amin’ny famokarana voanjo sy vary, ny taninketsa indostrialy voalohany manaraka ny lalan-tsain'ny fanorenana entin’ny ministera.

15-oct-2021

 Hanatsara ny fiainan’ny mponina ny fisian’ny ODOF (One District One Factory) ary hanamaivana ny vidim-piainana". Nivoitra io omaly raha nidina tao an-drenivohitry ny Faritra Bongolava ny minisitry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, Edgard Razafindravahy. Nanamafy izy fa tsy hisy adino amin’ny fananganana indostria intsony ny Distrika sy Kaominina ary ny isan-tanàna. Ho an'ny faritra Bongolava dia taninketsa indostrialy miisa telo fara-fahakeliny no hatsangana izay mikendry ny fampandrosoana ny faritra sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina any an-toerana. Toerana apetraka isaky ny Fokontany na Kaominina hiveloman'ny mponina indrindra fa ny tanora ny taniketsa indostrialy. Mety ho tanim-panjakana io na tanin'olon-tsotra na an'ny kaoperativa. Tanjona, hoy ny minisitra ny hananan'ny isa-tanàna ny vokatra hivelomany mivantana. Ny vokatra vokarin'ny isa-tanàna no hampiavaka azy. Ny zava-misy mantsy dia simba sy very fotsiny ny voankazo toy ny akondro, ny manga satria tsy misy fitaovana itehirizana azy, na amidy mora eo an-toerana eo kanefa tokony hampidi-bola isa-tanàna. Simba ny ronono fa tsy misy fitaovana fampangatsiahana. Misy tanàna maro mamboly voanjo saingy tsy misy fitaovana hanodinana azy ho menaka. Araka ny fanazavana dia hisy ny Tahiry hapetraka ho an'ny taniketsa indostrialy, ka “anaovan’ny ministera antso amin’ny mpandraharaha na vahiny na teratany handefa vola hanatevenana ny Tahiry hanampiana ny mpiray tanindrazana izay any ambanivohitra ny 80% fa izay no atao hoe : fampandrosoana. Hanampy ara-pitaovana ny ministera”, hoy i Edgard Razafindravahy. Tombontsoa ho azon'ny firenena ny hanomezana asa fivelomana ny isa-tanàna. Hiverina ny fitokisan'ny tantsaha ny fanjakana fa misy mpikarakara ny fivelomany. Hazoto hamokatra izy rehefa azony antoka fa misy vidiny ny hatsembohany. Tsy hisalasala ny mponina satria tsy ilàna diplaoma be ny famokarana any an-tanàna. Ho tamana any an-tanànany izy ireo fa tsy hiakatra aty an-tanàn-dehibe. Mifamelona ny Malagasy satria hividy ny vokatra tsy vokatra eo aminy ny tanàna hafa. Rehefa mahavita vokatra manara-penitra tsara isika dia hajanona tsikelikely ny fanafarana. Ilain'ny firenena ny indostria lehibe manome asa; efa misy koa ny faritra manokana ara- toekarena ZES hiantsoana mpampiasa vola avy any ivelany saingy manatsara haingana ny fiainan'ny mponina ny fametrahana Taniketsa indostrialy apetraka isa-tanàna, hoy i Edgard Razafindravahy. Nampahafantariny fa nampandroso ny firenena lehibe tahaka an'i Chine io fandraharahana isa-tanàna io. Mampakatra ny tahan'ny harinkarena satria tonga mitsidika any hatramin'ny mpizahatany vahiny.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

07-mai-2024

Misedra olana administratifa amin’izao fotoana izao ny orinasa Madagascar oil,

Card image cap
06-mai-2024

Hiroso amin'ny lalindalina kokoa ka hiditra amin’ny dingana voalohany amin’ny famokarana solika mavesatra na

Card image cap