airtel

Toekarena

22-juin-2026

Fanitsiana ny

tetibolam-panjakana 2026

Sample post image

Nampitomboina ny ho an’ny fanabeazana sy ny angovo

22-juin-2026

Hatolotra eo anivon’ny fivoriana itambarambe anio Alatsinainy ny Volavolan-dalàna momba ny Tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana, mba hodinihina sy holaniana araka ny fepetra voalazan’ny lalàna, taorian’ny fandinihana nataon’ny Vaomiera. Nisy fanitsiana sy fanamafisana maro natao nandritra ny asam-baomiera mba hahafahan’ny tetibolam-panjakana mamaly bebe kokoa ny filàn’ny vahoaka sy ny laharam-pahamehan’ny fampandrosoana ny firenena. Anisan’ireo fanitsiana lehibe noresahina ny fampitomboana ny tetibola natokana ho an’ny sehatry ny fanabeazana, ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fanohanana ny mpampianatra ary ny mpianatra ary koa ny fanamafisana ny tetibola ho an’ny sehatry ny angovo, mba hampitomboana ny famokarana herinaratra sy hiadiana amin’ny delestazy izay mbola sedrain’ny vahoaka any amin’ny faritra maro. Ny tanjona dia ny hananana tetibola mifanaraka amin’ny zava-misy sy mamaly ny filan’ny vahoaka, indrindra amin’ny sehatra fototra toy ny fanabeazana, ny angovo, ny rano ary ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

21-juil-2026

Nidina ifotony tampoka tao amin'ny Fokontany

Card image cap