airtel

Toekarena

02-oct-2026

FANONDRANANTSIKA

KAFE MANKANY IVELANY

Sample post image

Nihena hatrany amin’ny 90% nanomboka ny taona 2010

02-oct-2026

Misedra olana tanteraka ny seha-pihariana kafe eto amintsika. Nidina ny famokarana izany nanomboka tamin’ny taona 2010. Nihena hatrany amin’ny 90% koa ny fanondranana vokatr’izany izay tsy mampiditra afa-tsy ny 0,2%-n’ny harin-karena faobe eto Madagasikara sisa. Raha nahatratra 58.500 taonina ny kafe naondrantsika tamin’ny taona 1967 ka hatramin’ny taona 1981 tany ho any dia tsy nisy afa-tsy 77.000 taonina sisa taorian’ny taona 1981, antony hanafarantsika kafe 1.199 taonina isan-taona hatramin’ny taona 2024 no mankaty. Antony mahatonga izany ny fikatonan’ireo orinasa mpanodina kafe, raha araka ny fanazavana azo. Ny olana ara-piaraha-monina misy vokatry ny fitombon’ny mponina, ny haratsian-dalana hamoahana ny vokatra, ny tsy fahampian’ny fitaovana hampiasan’ireo tantsaha, ny tsy fahampian’ny lalam-barotra ary ny farany izay tsy kely dia ny fikatonan’ny seranan-tsambo. Ho an’ity farany manokana dia mampanantena ny Fitondram-panjakana tarihin’ny kolonely Randrianirina Mickael fa hisokatra ao anatin’ny 6 volana ny seranan-tsambo ao Manakara. Ireo tera-tany Sinoa hanao fitrandrahana any an-toerana no hanatanteraka ny asa hoy ny Mpanolontsaina Avon’ny Fanavaozana ny kolonely Gervais Andriamiharintsoa raha nisolo tena azy tetsy amin’ny Solimotel Anosy omaly. Hojerena koa ny seranan-tsambo ao Farafangana sy Mananjary. Hitety ireo faritra 4 mpamokatra kafe koa ny tetikasa Folur hanofana ireo tantsaha sy hijery ny tany azo hambolena kafe hahafahana mamerina amin’ny laoniny ity seha-pihariana iray ity. Na izany aza anefa dia nanamafy ny kolonely Gervais Andriamiharintsoa Mpanolontsaina Avon’ny Fanavaozana fa rehefa ny tantsaha mpamokatra no tsy hanao dia zava-poana ihany izany rehetra izany. Mila miasa isika hoy izy raha mbola tiana ny hisian’ny seha-pihariana kafe eto Madagasikara amin’ny 20 taona ho avy no sady hanentana ireo tanora Malagasy ihany koa mba hampiasa vola amin’izany. Tsiahivina fa miisa 350.000 ireo mpamokatra kafe eto Madagasikara. 150.000 ha ny tany azo hambolena raha 3500kg isaky ny ha kosa ny vokatra azo trandrahana raha hatao manara-penitra.
Pati
Legende : Ireo tompon’andraikitra nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana omaly !
 

Dans la même rubrique

01-oct-2026

ny dingana ara-bola

Card image cap