airtel

Toekarena

04-nov-2026

Harena an-kibon’ny tany

Mananika ny 400 tapitrisa

Sample post image

dolara ny fampiasam-bola vaovao

04-nov-2026

Mihatsara ny tontolo ahafahan’ny mpandraharaha mampiasa vola eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Raha toa ka tsy mbola nisy fampiasam-bola vaovao voarakitra talohan’ny taona 2026, dia efa mananika ny 400 tapitrisa dolara amerikana izany ankehitriny, raha ny fanazavana navoakan’ny tompon’andraikitra. Anisan’ny sehatra heverina fa afaka mitondra fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy ho an’ny firenena ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Araka ny tarehimarika, dia mitentina 80 tapitrisa dolara mahery ny teti-bola natokana ho an’ny asa sosialy na RSE (Responsabilité Sociétale des Entreprises), mifandraika amin’ireo fandraharahana ireo, ho an’ny taona 2026 fotsiny. Eo amin’ny lafiny famoronana asa, dia vinavinaina ho 6 300 ny asa mivantana ho voaforona, raha mahatratra 30 000 kosa ny asa ankolaka vokatry ny fampiasam-bola vaovao. Mety hanana anjara toerana lehibe amin’ny fampihenana ny tsy fananan’asa, indrindra eo amin’ny tanora, izany raha tanteraka ireo vinavina ireo. Ankoatra ireo tetikasa goavana, dia mbola maro ihany koa ireo Malagasy mivelona amin’ny fitrandrahana madinika. Mihoatra ny 800 000 ny isan’ny tokantrano voalaza fa miankina amin’ity sehatra ity. Manokana ezaka ho fanohanana sy fanatsarana ny fiveloman’ireo mpitrandraka madinika ny fitondram-panjakana, raha ny fanazavana. Andaniny, na mampiseho fahatsaran’ny tontolon’ny fampiasam-bola aza ireo tarehimarika ireo, dia mbola mipetraka ny fanontaniana mikasika ny tena fiantraikan’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eo amin’ny fiainan’ny Malagasy. Tsy ny habetsahan’ny vola miditra ihany mantsy no tokony hojerena, fa ny fomba fitantanana izany sy ny fizarana ny tombontsoa amin’ny vahoaka ihany koa.
MILA HITA AMIN’NY TOEKARENA
Teo 4,6 % amin’ny harin-karena faobe na "PIB réel" ny anjara birikin’ny sehatra harena an-kibon’ny tany tamin’ny taona 2023, raha ny antontan'isan'ny EITI (Extractive Industries Transparency Initiative). Mbola fanamby araka izany ny hahazoana antoka fa tena mipaka amin’ny vahoaka sy ny vondrom-paritra mpitrandraka ny tombontsoa azo avy amin’ity sehatra ity. Araka ny fanamarihana matetiky ny EITI, izay miandraikitra ny fampiroboroboana ny mangarahara eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, dia ilaina ny fampahafantarana ampahibemaso ny vola aloa amin’ny Fanjakana, ny vola tena voaray, ny fifanarahana amin’ireo orinasa mpitrandraka ary ny vola natokana ho an’ny asa sosialy sy ny tontolo iainana. Efa nisy ihany koa ny tatitra EITI tamin'ny taona 2023 izay nanasongadina ny mbola fisian’ny olana amin’ny fandoavana sy ny fizarana ny ristournes ho an’ireo vondrom-paritra itsinjaram-pahefana. Voalaza tao anatin’izany ny vola maherin’ny 98 miliara ariary tsy voaray teo anelanelan’ny taona 2020 sy 2024. Noho izany, ny tena fanamby dia ny hahazoana antoka fa tsy mijanona ho tarehimarika fotsiny ireo fampiasam-bola vaovao, fa tena mitondra asa mendrika, fanatsarana ny fotodrafitrasa, fampandrosoana ny faritra ary fiovana ara-toekarena sy ara-tsosialy hita maso eo amin’ny fiainan’ny mponina. Ilaina ihany koa ny fanaraha-maso hentitra ny fanatanterahana ireo adidy ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana napetraka amin’ireo orinasa mpitrandraka.
Toky R
 

Dans la même rubrique

12-nov-2026

Nankatoavin'ny antenimiera ny

Card image cap
11-nov-2026

Hanamafy ny fangaraharana sy

Card image cap