Misokatra amin’ny firenena maro sy ireo mpandraharaha vaventy amin’ny resaka fitrandràhana vokatra Kraomita sy Volamena ny Orinasa Kraomita Malagasy - Kraoma S.A. izay tarihin’ny tale jeneraly, Keron Idealson, hoy ny fampitàm-baovao voaray. Araka ny nambarany dia tsy hijanona amin’ny fitrandrahana vokatra Kraomita sy Volamena fotsiny ny Orinasa. Hivelatra amin’ny Akora hafa toy ny "Malachite" sy "Columbite" izay tadiavin’ny mpandraharaha vaventy ka isan’izany ny sinoa. Nisy moa ny dia nataon'ity tale jeneraly ity tany Chine, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin'i J. Mirija