airtel

Toekarena

05-mai-2026

Madagasikara, vinavina

ara-toekarena 2026–2028

Sample post image

Manantena fitomboana, tandindonina ambana goavana….

05-mai-2026

Mbola eo am-pamolavolana ny fahaizan’i Madagasikara mamokatra harena, raha ny tatitra ara-toekarena navoakan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena na ny FMI sy ny Banky Iraisam-pirenena tamin’ity volana aprily ity. Tokony hiakatra 3,6% ny fitomboan’ny harinkarena faobe tena izy (PIB Réel) amin’ity taona 2026 ity raha oharina amin’ny 2025 raha ny tomban’ny FMI, ary antenaina hahatratra 4,1% amin’ny taona 2027. Ny Banky Iraisam-pirenena kosa dia mahita vinavina somary miabo kokoa ho an’ny 2026, amin’ny alalan’ny tahan’ny fitomboana 3,8%. Ity fiakarana ity dia tokony hiorina amin’ny fampiasam-bola ataon’ny fanjakana amin’ny fotodrafitrasa fototra sy ny fampiasam-bola ataon’ny sehatra tsy miankina amin’ny fitrandrahana, ny fizahantany ary ny fifandraisan-davitra. Na izany aza, manomboka amin’ny taona 2027 hatramin’ny 2028, ny Banky Iraisam-pirenena dia mahita fa mety hihitsoka eo amin’ny 4,2% ny fitomboana, raha mbola mino ny FMI fa hisy fiakarana mitohy. Na dia misy aza ireo tarehimarika miteraka fanantenana, mijanona eo ambanin’ny tsindry ny tokantrano. Ny vinavinan’ireo rafitra roa dia milaza fa mbola hiakatra ny vidim-piainana ho an’ny 2026, miaraka amin’ny tahan’ny tahan’ny sondrobidim-piainana tombanana ho 8,3%. Midika izany fa hiakatra amin’ny ankapobeny ny vidin’ny sakafo sy ny tolotra fototra. Ny FMI dia manantena fihenan’ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana ho 7% amin’ny taona 2027, raha mahita kosa ny Banky Iraisam-pirenena fa mety hisy fihenana tsikelikely amin’ny fotoana maharitra, saingy miankina betsaka amin’ny fitohizan’ny politika ara-bola hentitra ataon’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Mbola misy ambana mitatao amin’ireo vinavina ireo. Manasongadina ny Banky Iraisam-pirenena fa ny fahalemena dia eo amin’ny tsy fahamarinan-toeran’ny ara-panjakana, ny fampiharana tsy mitovy ny fanavaozana, ary ny fahataran’ny fanarenana ara-bola sy ara-pitantanana ao amin’ny Jirama. Ny sehatry ny fizahantany dia mety hiharan’ny fihenan’ny vokatra amin’ireo toerana lehibe eto amin’ny firenena. Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, mbola tsy mazava ny hoavin’ny AGOA aorian’ny taona 2026, ary mbola marefo i Madagasikara manoloana ny dona ivelany, indrindra ny loza voajanahary. Ny ady maharitra any Moyen Orien dia mety hampiakatra ny vidin’ny angovo sy ny fitaterana an-dranomasina. Raha mitranga izany dia hampitombo ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana amin’ny alalan’ny vidin’ny fitaterana, ny herinaratra ary ny sakafo. Hihatra amin’ny tokantrano an-tanàn-dehibe izany indrindra, ary hampihena ny fidiram-bolan’ny tantsaha madinika, araka ny fanazavan’ny Banky Iraisam-pirenena. Eo izany ny fanantenana hitomboan’ny toekarena, fa mandindona ihany koa ny ambana ara-toekarena sy ara-tsosialy avy ato anatiny sy avy any ivelany. Efa niakatra 14% ny karaman’ny mpiasam-panjakana, niakatra 20% ny vatsim-pianarana, nampanantenaina hiakatra ny karaman’ny mpiasa amin’ny tsy miankina,… saingy manambana hiakatra ihany koa ny vidim-piainana, izay mila politika ara-toekarena sy ara-tsosialy mahomby.
Toky R

 

Dans la même rubrique