talata 2 jona tao amin'ny kaominina ambanivohitra Nierenana, Distrikan'i Vatomandry, nandritra ny asa fitrandrahana volamena tao an-toerana, raha ny fampitàm-baovaon’ny depiote voafidy tany an-toerana, Sophie Ratsiraka. Olona miisa 11 no namoy ny ainy vokatry ny fihotsahan'ny tany. Maneho fiaraha-miory amin'ireo fianakaviana manaman-jo ny tenakosy ireo ekipa miaraka amiko sady mivavaka mba handry am-piadanana ny fanahin'ireo nodimandry, hoy ity solombavambahoaka ity. Andrasana ny antsipiriany misimisy kokoa.
Nangonin’i J. Mirija