hoy ny fampitam-baovao voaray avy eo anivon’ity orinasa ity. Fanadihadiana tontosa teo anelanelan’ny volana oktobra sy novambra 2021 moa no nahafahana namoaka izany, hoy ny fanazavana. Misahana fanadihadiana manerana izao tontolo izao ny Speedchecker . Nanasongadina ny elanelana misy eo amin’ity orinasam-pifandraisan-davitra ity tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra hafa eto an-toerana ny tatitra nataon’ity fanadihadiana ity farany, izay nilazany fa avo 3 heny noho ny an’ireo hafa ny hafainganam-pandehan’ny tolotr’ity orinasam-pifandraisan-davitra voalaza teo ity. Miantoka ny fifandraisana na “connexion” an’ny 85%n’ireo faritra lavitra andriana eto amin’ny nosy rahateo izy. Nitentina 73 tapitrisa USD ny tetibola narotsaky ny Telma tany amin’ny lafiny fotodrafitrasa ny taona 2020 ary isan’ny nifantohana indrindra tamin’izany ny lafiny rohy an-dranomasina na “fibre optique marine”. Vokatr’izany dia laharana faha 7 aty Afrika eo amin’ny lafiny hafainganan’ny tolotra na “téléchargement” ankehitriny ity orinasam-pifandraisan-davitra ity. Araka ny fanazavana voaray hatrany moa dia ity orinasa ity koa sisa izao no tena miantoka ny fifandraisana an-tambazotra manerana ny nosy amin’ny alalan’ilay antsoina hoe “eassy tulear” sy “metiss fort dauphin”.
J. Mirija
Tsy misy izay tsy niraviravy tanana indrindra fa ireo mpandraharaha taorian’ny nidiran’ny valan’aretina Covid 19 teto amintsika ka nampihitsoka tanteraka ireo asa fihariana maro isan-tsokajiny.
Mahatratra 20 amin’izao fotoana izao ny asa vatsian’ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana na ny BAD ho an’i Madagagasikara, izay misy fampiasam-bola 716 tapitrisa dolara eo. Mitsinjara toy izao izany :
Tokony efa hihoatra ny dingana arahana mikasika ny fametrahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara izay resahan’ny fitondrana ankehitriny efa ho isan’andro, hoy ny mpanao politika,
Nisy ny fampahalalam-baovao iray nilaza, fa efa hiroso amin’ny fijanonana tsy hiasa intsony ny orinasa mpamatsy solika Galana.
Ny fiarovana ny indostria madinika sy salantsalany no ho laharam-pahamehan’ny ANMCC (Autorité Nationale Chargée des Mesures Correctives Commerciales) na ny Manam-pahefam-pirenena misahana ny fepetra fanitsiana ara-barotra amin’ny ho avy.