airtel

Toekarena

28-nov-2025

Volamena eto Madagasikara

Ahavitàna asa goavana

Sample post image

isam-paritra raha raha tsara tantana

28-nov-2025

Mbola tsy fantatra mazava tsara hoe tahaka ny ahoana sy firy marina ny tahirina volamena misy eto Madagasikara. Efa mazava kosa anefa fa maro ny faritra misy volamena eto ary misy ny fanondranana volamena an-tsokosoko, raha ireo fanadihadiana samihafa nifampizarana hatramin’izay. 86.000 Euros na 430.000.000 Ariary ny kilao eo amin’ny tsena iraisampirenena. Ny Banky foiben’i Madagasikara dia manana tahirina volamena milanja 1,08 taonina, izany hoe 1000 kilao mahery kely. Manodidina ny 430 Miliara Ariary izany no sandan’ireo volamena ireo. Mahazaka tetibolana minisitera iray. Etsy ankilan’izay, voalaza fa manodidina ny 4 taonina isan-taona (salan’isa) na 4000 kg ny volamena miondrana an-tsokosoko, tsy miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Efa ho 1720 Miliara Ariary isan-taona . Raha toa izany ka voaara-maso sy voarindra tsara ny sehatry ny fitrandrahana volamena, io fotsiny tsy mbola miresaka ireo vatosoa sy vato sarobidy hafa, dia efa ahavitàna asa goavana isam-paritra sy ho an’ny firenena iraimanontolo mihitsy aza, hoy ny fanehoan-kevitra. Tsy nofinofy fa ho azo tanterahina tsara ny fanamboaran-dalana, toeram-pitsaboana ary sekoly isan-taona miainga avy amin’ny vola azo amin’ny varotra volamena raha voalamina sy voafehy tsara io sehatra io, raha ireo fanehoan-kevitra samihafa ihany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

afaka mivoatra i Madagasikara »

Card image cap