airtel

Actualités

21-avril-2026

10 VOLANA ATY AORIANA

Mbola misitery tanteraka ny raharaha Ambohimalaza

Sample post image

10 volana izay no dify taorian’ ny

21-avril-2026

14 jona 2025 nahafatesana tanora 29 nandritra ny fetin’aniversera teny Ambohimalaza fa tsy mbola fantatra mazava mandrak’ity ny androany izany tena marina : fahapoizinana ara-tsakafo ve sa fanapoizinana ? Ny fanjakana malagasy moa dia efa nilaza fa fanapoizinana niniana natao na famosavana iny . 10 volana izay no nanaovana fanadihadiana sy fakana am-bavany nisy hatramin’ny fakana singa teny amin’ny toerana nanaovana ny sakafo, samy nihevitra ny rehetra hoe ho avy tsy hoe ela fitsarana nolazaina fa atao ampahibemaso saingy tsy hita hatramin’izao. LASA LAVITRA NY RAHARAHA ? Ny tompom-pety sy ny ny reniny dia mbola any am-ponja hoy ny vaovao ofisialy, nivoaka ihany koa avy eo ny hoe misy resaka Papa sôsy , nisy ireo ankizy efa nitsabo tena tany ivelan’i Madagasikara (nosy Maurice), saingy mbola tsy sitrana tsara ka aty amin’ny volana janoary 2026 dia hoe alefa hitsabo tena any Rosia indray. Misy ny fanadihadiana lalina tsy maintsy atao raha ny fantatra , izay no antony tsy mbola mampisy ny fitsarana hatramin’izao. Midika ve izany fa tena lasa lavitra ity raharaha Ambohimalaza ity fa tsy resaka aniversera fotsiny dia hoe nisy olona tsy nahazaka sakafo . Tamin’ny taon-dasa dia efa nivoaka hatramin’ny voambolana hoe « botulisme de guerre » io , nanaovana andrana fitaovam-piadiana simika ve izany sanatria ireo namonjy fety ? Inona no tena fantatry ny tompo-pety, iza marina no nandefa ny fanasana, iza avy no nandefasana ny fanasana mba ho avy hanatrika ilay fety teny Ambohimalaza, nisy olona tsy voaasa ve fa tonga tao ? Raha zavatra tsotsotra sy nahitana porofo ara-materialy ve tsy tokony efa nainga ny fitsarana sa misy zavatra afenina, misy anarana tsy tiana hivoaka ? Nisy tamin’ireo fianakavian’ny maty no efa nitaraina fa hoe tratry ny fandrahonana , toa misy endrika fanapenam-bava, satria nahoana , mbola misitery hatreto.
RTT
 

Dans la même rubrique

21-avril-2026

Ben'ny tanàna ny Vahoaka

Card image cap
21-avril-2026

hoy ny ben’ny tanàna

Card image cap
20-avril-2026

amin’ny Fanjakana sy ny PTF

Card image cap
20-avril-2026

ny fanenjehana ny Mopera Pédro

Card image cap
20-avril-2026

ho an'ny Filoham-panjakana...

Card image cap