airtel

Actualités

23-oct-2026

Fandraharahana

ara-pizahantany

Sample post image

Misy vatsim-pianarana 12 hiofanana atsy Maorisy

23-oct-2026

Manolotra vatsim-pianarana miisa 12 ny Stephan Business School na SBS hanarahana fiofanana arak’asa atsy amin’ny Nosy Maorisy. Mikendry ny hanamafisana ny fahalalana sy ny fahaiza-manaon’ny tanora Malagasy, indrindra eo amin’ny sehatry ny fizahantany sy ny fandraharahana ity tetik'asa ity. Tanjona amin'izany ny hanomanana tanora manana fahaiza-manao mifanaraka amin'ny filan'ny tsenan'asa. Andiany voalohany izy ity, ary haharitra 12 volana ny fiofanana. Niisa 55 ireo antontan-taratasy fangatahana voaray ahitana mpandray anjara avy amin’ireo faritany enina manerana ny Nosy. Taorian’ny fanombanana voalohany dia 50 ireo voafantina hiatrika ny dingana manaraka, dia ny adina am-bava amin'ny teny anglisy, izay hanombanana ny fahaiza-mifandray sy ny fahavononan’ireo mpandray anjara hanaraka ny fiofanana. Komity mpanombana ahitana solontenan’ny sehatra tsy miankina no niandraikitra ny fifantenana ireo izay nisoratra anarana. Anisan’ny mandray anjara ao anatin’izany ny Lehiben’ny sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly eto anivon’ny Minisiteran'ny fizahantany sy ny asa-tanana ho fanamafisana ny mangarahara, ny fahitsiana ary ny fitovian-jo mandritra ny dingana rehetra amin’ny fifantenana. Araka ny fepetra napetraka, dia mpandray anjara roa mendrika indrindra avy amin’ny faritany tsirairay no hofantenana hisitraka izany. Ity fomba fifantenana ity dia natao hiantohana ny fisoloan-tenan’ireo faritany enina sy hanomezana fahafahana mitovy ho an’ny tanora Malagasy manerana ny Nosy.
Jean D.
Ny Komity mpanombana nifantiana ireo izay nisoratra anarana
 

Dans la même rubrique

23-oct-2026

Sinoa iray tratra nitondra volamena

Card image cap
23-oct-2026

Manome lanja ny tontolon’ny

Card image cap
23-oct-2026

Hiverina amin’ny heriny, eny

Card image cap
22-oct-2026

tohin’ny afera Nosy Be Hell Ville…

Card image cap
22-oct-2026

Notsipahan’ny HCC ny andininy miisa roa

Card image cap
22-oct-2026

Nametraka fitoriana ireo mpiray fihaviana aminy

Card image cap