Notsipahin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny andininy roa tao anatin’ilay volavolan-dalàna faha-039/2026 mifehy ny fampiasana sivily sy am-pilaminana ny teknolojia nokleary eto Madagasikara. Tsiahivina fa mifototra amin’ny fivoaran’ny fampiasana ny teknika sy ny teknolojia nokleary, indrindra eo amin’ny sehatry ny fitsaboana, ny fambolena, ny fikarohana ary ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ity volavolan-dalàna ity. Mikendry ny hanavao ny Lalàna laharana 97-041 tamin’ny 2 Janoary 1998 ihany koa izy, mba hampifanaraka ny rafitra nasionaly amin’ireo fenitra iraisam-pirenena napetraky ny Agence Internationale de l’Énergie Atomique (AIEA). Anisan’ny tanjona lehibe ny fiarovana ny olona sy ny mpiasa amin’ireo loza mety ateraky ny taratra nokleary, ary ny fisorohana ny fampiasana tsy ara-dalàna ireo singa sy loharano radioaktifa. Tafiditra ao anatin’izany koa ny fanamafisana ny fepetra hiantohana fa tsy hampiasaina amin’ny famokarana fitaovam-piadiana ny teknolojia nokleary. Talohan’ny hamoahana amin’ny fomba ofisialy ny fehezan-dalàna no natolotra hodinihin’ny HCC izy io, ka nambaran’ny Fitsarana fa misy fepetra sasantsasany mifanohitra amin’ny Lalàmpanorenana, indrindra ireo mikasika ny fakàna fananana sy ny fifanarahana atao aorian’ny didim-pitsarana. Momba ny andininy faha-171, nanamarika ny HCC fa mety hanitsakitsaka ny foto-kevitry ny fiheverana ho tsy manan-tsiny sy ny zo amin’ny fananana ny fanaovana fakàna fananana alohan’ny fisian’ny fanamelohana ara-pitsarana. Noho izany dia nambaran’ny Fitsarana ho tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny teny hoe « et la confiscation ». Na izany aza, mbola azo atao ny fanagiazana vonjimaika fananana raha misy didin’ny manampahefana ara-pitsarana mahefa, ary voafetra amin’ireo fananana ilaina hiantohana ny fanonerana ny fahavoazana mety hitranga izany. Nanaisotra ampahany tamin’ny andininy faha-174 ihany koa ny HCC. Io andininy io mantsy dia nanome alalana ny Fahefam-pirenena misahana ny Fiarovana sy ny Filaminana Nokleary (ANSSN) hanova, amin’ny alalan’ny fifanarahana atao aorian’ny didim-pitsarana, ny vokatra ara-bola avy amin’ny fanapahan-kevitry ny fitsarana. Araka ny fanazavan’ny HCC dia manohintohina ny fahaleovantenan’ny fitsarana sy ny foto-kevitry ny fisarahan’ny fahefana izany fepetra izany. Etsy ankilany anefa, mbola ekena ny fifanarahana atao alohan’ny fitsarana ho an’ny fandikan-dalàna madinika sy ny heloka tsotra, fa tsy azo ampiharina amin’ny heloka bevava lehibe.
Toky R