airtel

Actualités

22-oct-2026

Farihin’Andranotapahana

Sample post image

Mikatona 2 volana ny fanjonoana,

22-oct-2026

nandrotsahana zana-trondro
Nikatona nanomboka ny 15 Oktobra teo haharitra 2 volana ny fotoam-panjonoana amin’ity taona 2026 ity ho an’ny Faritra Analamanga. Toerana maro ahitana farihy lehibe sy midadasika noho izany no nandrotsahana zana-trondro niarahana tamin’ny Ministeran’ny jono sy ny toe-karena manga ka anisan’ireny ny farihin’Andranotapahana ao anatin’ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo. Zana-trondro miisa 30.000 no narotsaka tao an-toerana izay natao hampiroboroboana ny sehatry ny jono. Anisan' ny asa fihariana mamelona tokantrano maro tokoa mantsy izany ho an’ity kaominina iray ity raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic. Ny fikambanana Ezaka firaisankiana sy ny Fanilo marovatana no mamondrona azy ireo. Manampy azy ireo amin’ny fiarovana ny farihy kosa ny kaominina ary hisy mihitsy ny lalana hoapetraka manasazy ireo miaro minia manapotika sy maka trondro tsy ara-dalana ao an-toerana hoy ny Ben’ny tanana. Nambaran’ny solontenan’ny Ministeran’ny jono tonga nanome voninahitra ny lanonana moa fa efa nandrotsahana zana-trondro tahaka izao ihany koa ny tao Ambatonandriana Anjozorobe, ny tany Atsimondrano raha ho avy tsy ho ela ny anjaran’i Manjakandriana sy Carion.
Pati
Legende : Nandritra ny fandrotsahana ny zana-trondro !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2026

tohin’ny afera Nosy Be Hell Ville…

Card image cap
22-oct-2026

Notsipahan’ny HCC ny andininy miisa roa

Card image cap
22-oct-2026

Nametraka fitoriana ireo mpiray fihaviana aminy

Card image cap
22-oct-2026

notolorana mari-boninahitra

Card image cap
21-oct-2026

Natsikafon’ny PRRM fa

Card image cap
21-oct-2026

Mankaleo ilay kolikoly ! Soloy sy fongory izay tsy manjary !»

Card image cap