Tezitra mafy ny amin’ny fanompana sy fanevatevana ny Filohan’ny Fanavaozana ny kolonely Randrianirina Michael amin’ny tambajotran-tserasera ireo mpiray fiaviana aminy. Tafiditra ao anatin’izany ny famoterana azy amin’ny Reniny niteraka azy izay fantatra fa efa any ambany rangolahy sy ny fampitoviana azy amin’ny biby hoy hatrany ireo mpiray fiaviana aminy. Lehilahy iray mpikirakira tambajotran-tserasera Facebook mitondra ny anarana D....no voalaza fa manao izany ka nametrahany fitoriana tetsy amin’ny tribonaly ambaratonga voalohany etsy Anosy omaly Alarobia 21 Oktobra. Nandany fotoana mandalo eto Antananarivo mihintsy izy ireo sy ireo solontenan'ny fianakaviana avy any Atsimon’ ny Nosy, ahitana ny faritra Anosy sy Androy mba hikarakara izany. Nohamafisin’izy ireo moa fa mahatoky ny fahendren’ny Fitsarana izy ireo. Tena tsy azo ekena intsony hoy Dà Haja mpitondra tenin’izy ireo na Atoa Haja Pricelyn ny fomba ratsy tahaka izao. Efa ao anatin’ny Fanavaozana mantsy isika ka tokony hihavao manaraka izay ihany koa ny fomba fisainana sy ny ezaka hatao mba tsy hanohintohina na hanimba ny hafa, indrindra fa ny Raiamandrenin’ny firenena izay mendrika hajaina tokoa.
Pati
Legende : Ireo mpiray fiaviana amin’ny Filohan’ny Fanavaozana tonga tetsy amin’ny Fitsarana Anosy omaly !