ny vokatra vaovaon’ity orinasa ity izay antsoina hoe Excellium 4. Ny volana martsa teo izahay, hoy ny fanazavan’ity orinasa ity, no nankalaza ny faha 100 taonan’ny kaompania. Nisy ezaka sy fikarohana ary famoronana hatrany tao anatin’izany. Azon’ireo mpampiasa lalana na mpitondra fiarakodia ampiasaina manomboka izao ity vokatra vaovao ity. Vokatra izay ahitana tombony miisa 3 mifototra amin’ny fikojakojana ny maoteran’ny fiara. Sady hahavitana kilaometatra maro lavitra noho ny kalitaon-tsolika hafa nahazatra hatramin’izay izy io nefa manena ny fanapariahana entona manimba ihany koa, izany hoe, miaro ny tontolo iainana ary tsy miova fa mitovy amin’ny vidin’ny vokatra teo aloha ihany no vidiny ary hita amin’ireo tobin-tsolika Total rehetra manerana an’i Madagasikara. Mitombo 28km mihoatra amin’ny mahazatra ny halavirana vitan’ny fiara, hoy hatrany ny fanazavana. Vao haingana aho, hoy ny ambasadaoron’ity vokatra ity, Tsarafara na Rajao, no nandeha tany Maevantanana. Lalana 330km, hoy izy. Raha ny mahazatra dia mandany lasantsy 33 litatra aho rehefa mandeha lalana 330km izany. 27 litatra tamin’ity dia ampy ahy tonga tao Maevantanana. Nitombo ny tanjaky ny fiara. Nihena ny vola mivoaka. Nihena ny fandaniana lasantsy, hoy hatrany izy. Ny mpitondra fiarakaretsaka, Rakotondrazaka Rémi William, kosa tetsy ankilan’izay no nahazo ny loka goavana fahafahana mameno na ilay fiteny mahazatra hoe «manao plein» ny fiarany amin’ny alalan’ity vokatra vaovao ity isam-bolana mandra-pahatongan’ny 10 jona 2025 satria mpanjifa faha 25n’ny vokatra nandritry ny lanonana fanokafana izany omaly raha toa ka 25 taona izay no niverenan’ity kaompanian-tsolika voalaza teo ity niasa teto Madagasikara indray.
J. Mirija
Goavana ny fanarenana miandry, raha ny toekarem-pirenena eto Madagasikara no asiana resaka.
Nipoitra indray ny Kolonely Charles Andrianasoavina izay isan’ny nanamarika ny tantara tamin’ny 2009
Nanomboka ny alatsinainy 13 ka nifarana ny alarobia 15 janoary 2025 tao amin’ny trano fivorian’ny Minisiteran’ny
Efa nahazatra ireo mpikirakira fifandraisan-davitra toy ny amin’ny alalan’ny finday hatramin’izay
Hita ho tena sahirana ny vahoaka malagasy, raha ny mikasika ny sosialim-bahoaka tamin’iny taona 2024 iny,
Niato sahady indray ny rotsak’orana izay neverina hifampitohy tao anatin’ny 3 andro,