airtel

Actualités

25-juil-2024

KOJAKOJA FANAMBOARAN-TRANO

Mitady ireo tsara kalitao nefa mora ny ankamaroan’ny olona

Sample post image

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

25-juil-2024

efa manana izany, indrindra amin’izao fiakaran’ny vidim-piainana izao. Misy anefa ireo tsy maintsy manao izany mba hahafahana miatrika ny fotoam-pahavaratra ka mitady ireo karazana kojakoja tsara kalitao sady mora. Tena sarotra ny mitady izany raha araka ny fanazavan-dRtoa Kesia, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Mora tole. Ho an’ny tafo manokana mantsy dia nohazavainy fa misy marika hahafantarana azy izy ireny isaky ny 1 metatra. Amin’ny alalan’iny marika iny no hahalalana ny hatevin’ilay tafo izay nomarihiny manokana fa fafan’ireo mpivarotra sasany izany mba tsy ho hita, antony mahatonga ireo mpanjifa maro ho voafitaka. Mody hahenany kely ny vidiny amin’iny hoy hatrany Ramatoa Kesia nefa aleo mividy ilay somary miakatra 1000 na 2000 Ar kely ny vidiny nefa tena tsara. Ho azy ireo manokana moa dia notsindriany fa tokony ho mailo ny mpanjifa amin’ny hamaroan’ireo kaonty anaty tambajotran-tserasera misoloky azy ireo. Eny amin’ny Foara trano etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina no ahitana azy ireo nanomboka omaly Alarobia ka misy ny fitaterana maimaim-poana ny tafo ho an’ireo mividy ao aminy. Soloin’ny Mora tole ihany koa ireo carreaux sendra vaky eny an-dalana mandrapahatonga any amin’ny toerana izay hitondran’ny mpanjifa izany, ho an’ireo mividy ao aminy hatrany.
Pati
Legende : Ramatoa Kesia, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Mora tole !
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
02-juin-2025

Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,

Card image cap
02-juin-2025

Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,

Card image cap
02-juin-2025

Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady

Card image cap