airtel

Actualités

02-juin-2025

Kianin’i Baomiavotse i Max Fontaine

« Misy ny mpanarina, dia misy ny mpandrava ! »

Sample post image

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

02-juin-2025

naneho hevitra tamin’ny alàlan’ny tambajotra sosialy i Dr Baomiavotse Vahinala RAHARINIRINA, mpampianatra-mpikaroka sady minisitry ny Tontolo iainana teo aloha, manoloana ny zava-misy manimba ireo ezaka efa natao ho fiarovana ny ala sy ny toekarena maitso teto Madagasikara. “Nakarina indray ny vidin’ny entona fandrehitra,” hoy izy tamin’ny fanambarany, “maromaro ianareo olom-pirenena sy fikambanana no efa niantso sy nanoratra taminay, nitaraina. Tsy afaka hangina aho.”, hoy izy. Nambaran’ity Minisitra teo aloha ity fa tamin’ny naha-minisitry ny Tontolo iainana azy, dia niady mafy ny fitondrana nampidina ny TVA ho 5% tamin’ny vidin’ny entona fandrehitra, raha 20% izany teo aloha. Tamin’ny taona 2020, tafidina hatrany amin’ny 87.000 Ar ny vidin’ny tavoahangy gaz 12 kg, ary 63.000 Ar ho an’ny 9 kg. “Tena nisy fiantraikany lehibe izany ho an’ny tokantrano Malagasy. Nisy fianakaviana afaka nividy fatana gaz. Nisy ihany koa ny fihenan’ny fidarotana ala, noho ny fanampiana an’ilay gaz ho solon’ny saribao sy kitay.”, hoy izy.
“MISY NY MPANARINA, MISY NY MANDRAVA”
Araka ny voka-pikarohana vao haingana navoakan’ny sehatra misahana ny ala, dia ambany indrindra ny fahapotehan’ny ala teto Madagasikara ny taona 2020 sy 2021, manamarina fa nisy vokany mivantana ny fandaharan’asa natao, ka reharehantsika ny fanarenana natao, hoy izy. Saingy izao, manoloana ny fiakaran’ny vidin’ny entona indray, dia hita fa niverina amin’ny teo aloha ny politika, hoy ny fanakianana nataon’ity Minisitra tao anatin’ny Fitondrana Rajoelina ity. « Nakarina izy ankehitriny! Mahonena tokoa satria dia misy ny taranaka mpanarina ary misy ireo mandrava ny efa sy najoro! Aza averina amin’ny vahoaka Malagasy intsony ilay teny nataonao hoe « ny fampiasana saribao sy kitay no olana eto fa tsy ny fitrandrahana … raha ny zavatra nahomby aza tsy narovanareo sy arodanareo zandrilahy Minisitra Max Andonirina Fontaine », hoy ity Minisitra teo aloha nanakiana ny mpandimby azy aty aoriana. Inona tokoa moa no tena vinan’ny fitondrana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny toekarena maitso sa zary fitadiavam-bola toy ny « crédit carbone » tsy hita izay tena fangaraharahana?
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap