rongony angamba izahay, hoy ny mpanao gazety siantifika, Rivonala Razafison. Tampontampoka eo, hoy izy, dia nahitàna fototra rongony maniry miaraka amin’ny tsaramaso eo amin’ny taninay, izay tsy lavitra miala ny arabe. Olona no niteny fa misy fototra rongony maniry ao anaty tsaramasonay ao vao gaga ny tena. Nojerena tokoa dia ireo. Misy efa lehibebe raha mbola kely kosa ny sasany. Notombanana ho nanaraka ny zezika novidiana tamin’ny olona ilay izy. Toerana iray ihany anefa aloha no nahitàna azy. Tokony ho feno ilay tanimboly raha toa ka nanaraka zezika tokoa ilay izy. Efa ela ihany koa izy no tokony hita raha nanaraka zezika marina satria na ny tsaramaso nampiasàna ilay zezika aza efa azo atao laoka. Lasa ny heritreritra fa karazany niniana nafafy mihitsy ilay izy. Eo amin’ny faritra tsy dia taza-maso rahateo ihany koa no nahitàna azy. Efa nongotako sy naleviko anaty tany izy rehetra. Ny trano aloha no efa nametrahana tay teo amin’ny tongon-davarangana tamin’ny fiandohàn'ity volana jolay ity, ankoatra ny ankaso madinidinika isaky ny tsy misy olona mielingelina eo amin’ny atoandro. Tsy lazaina intsony koa ny fanimbàna sy ny fisotasotàna ny voly sy ny fananana any an-tsaha lavidavitry ny tanàna. Tsy maintsy mbola ho tratrako foana, hoy hatrany ny tenany nitantara ity tokontaniny nisy namafy rongony ity!
Nangonin’i J. Mirija