Miisa 10 ireo voasokajy ho famarinana olombelona na «traite d’être humain» eto Madagasikara, raha ny fampahafantarana nomen’ny biraom-pirenena miady amin’izany eto amintsika na BNLTEH, izany hoe, «Bureau national de lutte contre la traite des êtres humains» ny faran’ny herinandro teo. Voalohany, hoy ny fanazavàn’i Andrianjafy Vola Norosoa, lehiben’ny fitantanan’asa ao amin’ny BNLTEH, ny fanararaotana amin’ny asa an-trano. Faharoa, ny asa an-tery sy fampiasàna mifandraika amin’ny fanandevozana. Fahatelo, ny fanambadiana an-tery. Fahaefatra, ny famarotana olona. Fahadimy, ny fananganan-jaza tsy ara-dalàna. Fahaenina, ny fanararaotana ny hataka ataon’ny olona. Fahafito, ny fanaovana asa fanompoana ho fanefàna trosa. Fahavalo, ny fanondranana taova. Fahasivy, ny fanararaotana ny fivarotan-tena ataon’ny olona. Fahafolo, ny fanararaotana ara-nofo atao amin’ny ankizy ho amin’ny tombontsoa ara-barotra, hoy hatrany ny fanazavàny. Somary niova ny tarehimarika mikasika ny famarinana olombelona teto Madagasikara, raha ny tatitra farany, hoy kosa ny tomponandraikitry ny tarehimarika eo anivon’ity rafitra ity ihany, Razafy Andrianina. Saika nirona kokoa amin’ny antsoina hoe «scaming», hoy izy, ny ankamaroan’ny mpanao an’io asa ratsy io tamin’ity. Ny atao hoe «scaming» moa, raha ny mikasika ny famarinan’olona no resaka, dia ilay solokiana anaty tambazotran-tserasera ilay olona. Lazaina izy, ohatra, misy asa any ivelan’i Madagasikara dia maika hiala eto ilay olona avy eo. Tonga any dia alainy ny pasipaoro sy ny taratasin’ilay olona nefa asa hafa na asa mamoafady no ampanaoviny ilay olona. Ilay olona amin’io voafandrika tanteraka sy tsy afa-mitsoaka nefa tsy mahazo karama sy tsy mahazo na inona na inona, hoy hatrany izy. Ny filankevitry ny minisitra farany teo nanangana ny «task force» na hery manokana miady amin’io «scaming» io, hoy kosa ny talen’ny BNLTEH, Ramahandrisoa Eric. Anatin’ny fandinihana ny ady amin’izany, hoy izy, noho izany, izao ny fitondràm-panjakàna. Betsaka ny gasy nalefa tany an-dafy taloha fa amin’izao dia hitan’ireo mpamarina olona indray fa malalaka kokoa ny miditra eto. Lasa mibosesika eto indray ry zareo. Ny olana dia mbola tsy ahafahana milaza hoe lasibatrana famarinana olona ireo olona niharan’ny «scaming». «Online scaming» moa no tena fiteny azy. Mbola an-dalana eny amin’ny antenimieram-pirenena hatreto ny fanovàna ny lalàna. Ny jona teo nampahafantatra tamin’ny haino aman-jery ireo tomponandraiki-panjakàna samihafa hoe nisy trangana fisolokiana tratra fa tao anatin’izay koa ny famarinan’olona. Raha olona miisa 100 no voasambotra dia mety 2 amin’ireo no atidohana famarinana olona fa ny ambiny atitoha tamina fisolokiana daholo. Mamotika toekarena ny famarinana olona ka tsy azo avela hivoatra. Niha tsara moa ny naotin’i Madagasikara satria raha tanaty lisitra volondavenona isika talohan’ny septambra 2025 dia nakarin’ny amerikanina ho anaty lisitra tsotra taorian’izay. Be dia be ny fiaraha-miasan’ny BNLTEH tamin’ny minisiteran’ny filaminana anatiny, ny minisiteran’ny fitsaràna, sampana maro samihafa nahazoana izany vokatra izany. Narindra ihany koa izay fiaraha-miasa izay fa tsy nitsitokotoko dia samy nanao ny tatitrany ohatran’ny taloha intsony. Hatreto ny resaka halatr’olona maresaka amin’izao fotoana izao dia mbola tsy nisy tatitra nahafahana nanasokajy azy ho famarinana olona. Misy ny volavolan-dalàna fanamoràna ny fanenjehana ny olona manao famarinana olona eny anivon’ny antenimieram-pirenena izao, izay efa nodinihina ny jona teo fa nangataka ireo solombavambahoaka hoe ataovy teny malagasy, hoy hatrany ny fanazavàna, dia miandry ny tohiny isika.
J. Mirija