Miteraka ahiahy sy misy ahiahy lehibe eo anivon’ny Jirama sy ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao, ka misy ny fanadihadiana izay atao mikasika toe-javatra hafahafa. Nosokajiana ho tsy mandehandeha ho azy ireo toe-javatra goavana mikasika ny herinaratra izay mitranga taorian’ny fanambarana nataon’ny Filoham-panjakana, hoy ny teo anivon’ny Orinasa Jirama omaly. « Misy ny komity iraisana tarihin’ny Tonia Mpampanoa lalàna ambony eo anivon’ny « Cour d’appel » manoloana ny fahatapahan-jiro izay mampiahy taorian’ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Fanavaozana taorian’ny fanombohan’ny fanadihadiana parlemantera, ary mahagaga izany », hoy ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA Jeneraly Rasolomanana Hajatiana. Tafiditra ao anatin’io izany mazava ho azy ilay fahatapahana faobe na « black out » teto Antananarivo ny alahady takariva. « Fipoahana cellule Moyenne Tension (MT) no niteraka firehetana tao amin’ny tobim-pamokarana herinaratra HFF Ambohimanambola, ka nahatonga fahatapahan-jiro faobe teto amin'ny tambazotra Iraisan'Antananarivo. Toy izany ihany koa ny fisiana fiarabe nibahan-dàlana niteraka fahatarana tamin’ny famatsiana solika,… Nanamafy ny vaomiera mpanao fanadihadiana ao amin’ny Antenimierampirenena, fa rehefa noraisin’ny tsy miankina ny fitantanana ny famokarana herinaratra dia tsy misy taratasy mazava. Niteraka fatiantoka be dia be ny fifanarahana, ny fanofana milina, miasa 3ora lazaina fa mety miasa 16ora,… hoy i Pety Rakotoniaina. Nanjaka ny kolikoly avo lenta sy kopaka isasahana nataon’ny mpitondra nifanesy sy ireo mpampanofa milina, hoy izy. Manahy sabotazy teknika sy politika mikasika ny fahapatapahana misy izany ny Jirama sy ny Fanjakana ? Tapitra omaly 27 jolay 2026 ilay fe-potoana herinandro nomen’ny Filohan’ny Fanavaozana Kolonely Randrianirina Michael ny orinasa ENELEC mba hampandeha tsara ny famokarana herinaratra any Antsiranana, Toamasina ary Mahajanga. Asa hoe nanao ahoana ny vokany, efa milamina ve ny herinaratra any amin’ireo toerana 3 ireo? Raha hiverenana kely, nilaza ny PRRM fa aman-taonany maro no nanao fifanarahana amin’ny orinasa maro ny Fanjakana tany alohan’izy ireo : Antsiranana, Toamasina, Mahajanga,... Misy olana foana, kanefa ny Fanjakana efa mandefa milina mameno ny banga, ka nilazany fa mahagaga fa rehefa mandefa milina ny Fanjakana dia mampidina ny azy ny ENELEC. "Rehefa tsy hiasa eto ny ENELEC dia mialà", hoy izy hentitra. Nampitandrina sy nanome herinandro ny orinasa ENELEC, hanatanterahan'ity farany izay nifanarahana tamin'ny Jirama amin'ny famatsiana herinaratra ao Antsiranana, Mahajanga ary Toamasina. Ara-teknika, nambarany fa tokony havaozina ny fifanarahana, ny 65%n’ny vola ao anatin’ny fifanarahana dia alohan’ny Jirama amin’ny ENELEC. 18MW no tokony homeny, 11MW ny filàna any Diego, kanefa 3MW no vokariny, ny Fanjakana Malagasy "Androany aho dia mampitandrina ny ENELEC : Madagasikara dia an'ny Malagasy. Rehefa tsy hiasa eto Madagasikara izy dia miala", hoy ny kolonely Randrianirina Michaël. « Mampitandrina farany, raha tsy tafaverina i Toamasina, Antsiranana, Mahajanga, mahita izy ! », hoy hatrany ny PRRM.
HANAO AHOANA ?
Nitsotra ny ENELEC, fa misy olana ara-teknika lehibe tao amin’ireo tobim-pamokarana herinaratra sasantsasany tantanin’ny ENELEC. ENELEC dia mandray am-panajana ny ahiahy nambaran’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika mikasika ny fahatapahan-jiro, ary manamafy fa mikatroka andro aman’alina ny mpiara-miasa rehetra mba hamahana haingana ireo olana sy hampitomboana ny famokarana, hoy ny fanambarana. Orinasa malagasy mandray andraikitra hatrany i ENELEC, mifanome tanana amin’ny vahoaka amin’ny fotoan-tsarotra, hoy io orinasa io. Orinasa tsy miankina mpamokatra herinaratra moa ny ENELEC (énergie électrique). 10 taona izay no niasany teto Madagasikara ka ny faritanin’Antsiranana, Toamasina, Mahajanga, Toliara ary Antananarivo no misy azy. Zana-tsampan’ny Groupe FILATEX izay isan’ny vondron’orinasa matanjaka amin’ny sehatra stratejika maro eto. Asa hanao ahoana ny tohin’iny ? Nilamina sa mitohy sy mihamafy ny mety ho fifanenjanana ?
Toky R