Nitrangana fahatapahana faobe na « black out » ny herinaratra teto Antananarivo omaly takariva. « Fipoahana cellule Moyenne Tension (MT) no niteraka firehetana tao amin’ny tobim-pamokarana herinaratra HFF Ambohimanambola, ka nahatonga fahatapahan-jiro faobe teto amin'ny tambazotra Iraisan'Antananarivo », hoy ny Jirama. Nambara fa vao nisy io tranga io dia nahetsika teny an-toerana avy hatrany ireo teknisiana sy ireo mpamonjy voina. Niara-nisalahy tamin'izy ireo ny Minisitry ny Angovo sy ny Ankoran'Afo, ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ary ny Minisitry ny Fitantanam-bola. Niverina moa ny famatsiana ora iray teo ho eo taorian’ny fahatapahana. Nilaza moa ny Minisiteran’ny angovo sy akoran’afo ny zoma lasa teo fa hampandeha ny milina TAC 3 eny Ambohimanambola ny Fanjakana, ka nisy ny fitaovana efa natao « requisitions ». Nambara fa hamokatra 18MW ka hampitsahatra ny fahatapahana eto Antananarivo.
Toky R