hidiran-dRajoelina hoy ny Pr Joseph
Mahakasika ilay tsingerin-taona mainty izay nitranga tao Ambohimalaza izay namoizana ain ' olona maro dia naneho ny heviny mikasika izany Pr Joseph, mpandinika raharaham-pirenena sady mpanompon’Andriamanitra. Maro hoy izy no manaraka ny fizotry ny raharaham - pitsarana, izay nivantana tamin 'ny fahitalavim - panjakana ( TVM ), ary mety hisy manam-pahefana tamin 'ny fitondrana Rajoelina ho voasaringotra ao anatin 'io, ary tsy ho afa - bela amin ' io raharaha nahafatesana olona maro io i Fenohasina izay tompom - pety ! Ny antony, dia tsy tokony hisy mihitsy anniversaire ho hankalazaina in - droa izany. Raha araka ny voalaza teo anatrehan ' ireo mpitsara mpanao famotorana mantsy, dia ny 11 Jona no tena anniversaire an ' i Fenohasina, kanefa dia naverina ny 14 Jona 2025 indray izany. Ekena fa mety nisy ny disadisam - pianakaviana na disadisam - pitiavana tamin ' io raharaha io, kanefa tsy tokony ho ny rehetra kosa no nompozinina. Matoa olona 35 be izao no maty noho ilay Anniversaire an ' i Fenohasina, dia heverina fa nisy mpanao politika tamin 'ny fitondran - dRajoelina nijapy tao mba tsy hilazana hoe : i Rajoelina tenany no anisany nanarama an ' i Fenohasina hamono ireny tanora marobe ireny noho ny mety hisian ' ny resaka " pact " . Koa ny hafatra ho antsika rehetra manoloana izao raharaha izao dia samia mailo rehefa misy fety fankalazana Anniversaire miverina in - droa fa misy zavatra ambadika ao hoy Pr Joseph, indrindra raha misy mpanao politika mijapy izany. Marina sy mazava ilay tenin ' Andriamanitra izay voasoratra ao amin 'ny ( Ohabolana 23 : 1 - 3 ) manao hoe : Raha mipetraka hiara - komana amin ' ny mpanapaka ianao, dia hevero tsara izay eo anatrehanao, ka andraso antsy ny tendanao, raha dia liana loatra ianao. Aza mitsiriritra ny hanim - piny, fa hani - mamitaka izany.
Pati
Legende : Ny Pr Joseph !