hisitraka ny tetikasa « ASCENT » 250 tapitrisa dolara
Natomboka ofisialy omaly 19 novambra 2026 teny amin’ny Novotel Ivandry ny fandaharanasa ASCENT (Accelerating Sustainable and Clean Energy Access Transformation in Madagascar), tetikasa iarahan’ny Fanjakana Malagasy sy ny Vondron'ny Banky Iraisampirenena, izay mikendry ny hanitatra ny fahazoana herinaratra sy hanamafy ny fampiasana angovo madio manerana an’i Madagasikara. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny PRRM Randrianirina Michael, notronin’ireo manam-pahefana ambony isan-tsokajiny. Mitentina 250 tapitrisa dôlara ny famatsiam-bola natokana ho an’ity tetikasa ity, izay mikendry ny hanatsara ny fahazoana herinaratra ho an’ny tokantrano miisa 2,5 tapitrisa hatramin’ny taona 2030. Tafiditra ao anatin’izany ny fampidirana mpanjifa vaovao miisa 200 000 ao amin’ny tambajotran’ny JIRAMA, ny fametrahana tambajotra madinika sy fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro any amin’ireo faritra lavitra ary ny fampiroboroboana fitaovana fandrahoan-tsakafo madio. Vinavinaina hisitraka mivantana ny tombontsoa entin’ny ASCENT ny vehivavy miisa 1 200 000 sy ny tanora miisa 1 600 000. Ankoatra ny fanatsarana ny fahazoana angovo, tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa ihany koa ny fampiofanana, ny fananganana orinasa ary ny fampirisihana ny fandraharahana eo amin’ny sehatry ny angovo. Navoitran’ny PRRM Kolonely Randrianirina Michael fa singa lehibe ho an’ny fampandrosoana ny angovo”. "Singa satria mamaritra ny kalitaon’ny fiainan’ny olom-pirenena, ny fivoaran’ny orinasa ary ny fanatsarana ny toe-karena sy ny sôsialy manerana ny Faritra rehetra eto Madagasikara", hoy izy. Notsiahiviny fa mbola maro ireo fanamby eo amin’ny sehatry ny angovo, ka anisany ny fampitomboana ny famokarana herinaratra, ny fanamafisana ny tambajotra fitaterana sy fitsinjarana ary ny fanovàna tsikelikely ny fomba fampiasana angovo amin’ny fahandroan-tsakafo. “Ny vina sy ny faniriantsika dia ny fampitomboana ny tahan’ny fisitrahana herinaratra avy amin’ny angovo madio, maharitra ary amin’ny sarany takatry ny besinimaro”, hoy hatrany ny Filohan’ny Fanavaozana. Notsipihiny araka izany fa tsy natokana ho an’ny olom-bitsy ny fahazoana angovo, fa tombontsoa ho an’ny Vahoaka rehetra tsy an-kanavaka manerana ireo Faritra eto Madagasikara. “Raha tsy misy ny angovo dia tsy misy ny tena fanovàna ara-toekarena. Ny tanjon’ny ASCENT dia ny hanafainganana ny fisitrahana herinaratra sy hanatsara ny fomba fiasa, ka ny vokatra azo tsapain-tanana, toy ny fitomboan’ny isan’ny tokantrano sy orinasa mahazo herinaratra ary ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra, no handrefesana ny fahombiazany”, hoy kosa i Atou Seck, Solontenan’ny Vondron’ny Banky Iraisampirenena eto Madagasikara. Dingana lehibe ny ASCENT, tafiditra anatin’ny tanjona hampiakatra ho 80 % ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara amin’ny taona 2030. Nankasitraka ireo mpiara-miombon’antoka, indrindra ny Banky Iraisampirenena, ny Filohan’ny Fanavaozana noho ny fanohanana omeny ny ezaka sy ny asa tanterahin’ny Fitondram-panjakana Malagasy. Niantso ny sehatra tsy miankina hiara-hientana amin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa ihany koa izy mba hanara-maso akaiky ny asa sy hanao tatitra mazava amin’ny Vahoaka Malagasy.
Toky R