vatsim-pianarana ho any Alzeria
Mpianatra Malagasy miisa 80 no voafantina hahazo vatsim-pianarana makany Alzeria, ho an’ny taom-pianarana 2026-2027. Noraisin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy tao amin'ny birao fiasany ao Fiadanana izy ireo omaly Alarobia 18 novambra 2026. Nitsodrano sy nirary soa azy ireo ny Minisitra, ary nanolotra ny « attestations » manamarina ny fahazoan’izy ireo ny vatsim-pianarana. Manohy ny ezaka amin’ny fanohanana ny mpianatra sy ny fampivelarana ny fahaiza-manaon’ny tanora Malagasy ny Minisitera amin’ny alalan’ny fanomezana fahafahana hanohy fianarana any ivelany. Nohamafisiny fa avy amin’ny Faritra samihafa manerana an’i Madagasikara ireo voafantina. Notsiahiviny ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fiverenan’ireo mpianatra an-tanindrazana rehefa vita ny fianarana, mba hampiasana ny fahalalana sy ny fahaiza-manao azony ho fampandrosoana an’i Madagasikara.
Jean D.