Taorian'ny raharaham-pitsaràna teny Anosy omaly, izay naha voasaringotra an'i Rakool na Koloina Solomampionona Razafindranaivo, indrindra, ny vadiny ka azo lazaina hoe niha nampazava iny raharaha Ambohimalaza iny dia tsy vitsy ireo mpanara-baovao nametra-panontaniana mikasika ny hoavy ara-panatanjahantenan'ity kintan'ny baolina kitra malagasy tany amin'ny CHAN 2023 ity. Vao tsy ela moa i Faneva Ima, kapitenin'ny Barean'i Madagasikara teo aloha, no nampahafantatra fa efa milamina ihany koa ny momba ilay taratasy mikasika an'i Rakool tany Frantsa niteraka resabe farany teo. Efa afaka miverina any izany ny lehilahy raha mahita lalana . Izany Jamie Vardy izany, kintana anglisy fahiny, 25 taona vao nahazo fifanarahana matihanina nidirana tao amin'ny divizionina voalohany anglisy, Leicester City. Ny reharehan'ny kitra ivoarianina, Didier Drogba, 25 taona ihany koa no nanomboka nilalao tao amin'ny Olympique de Marseille, klioba sangany ao Frantsa. Inoana, araka izany, fa mbola misy azo antenaina ihany koa ny amin'ity kintana namirampiratra tamin'ny 3 taona lasa ity saingy miankina amin'ny fahavononany hiezaka nefa izany na tsia. Efa nahita ny fifaninanana matihanina tao Frantsa ny lehilahy ary efa nilalao tanatin'ny fifaninanana lehibe indrindra tao Alzeria saingy miankina amin'ny finiavany sy ny fahaizany misafidy ny olona hiara-dalana aminy manomboka izao angamba! Marihina moa fa teraka ny 25 martsa 2000 i Rakool, raha ny rakitsoratra voaray momba azy.
J. Mirija