airtel

Actualités

19-nov-2026

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA,

AMBALAVELONA

Sample post image

Vokatra nentin’ny fankalazana

19-nov-2026

ny Fetin’ny 01 Novambra »
Nirongatra sy nahazo vahana teto amintsika tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona. Vao omaly Talata 17 Novambra ohatra dia olona mihoatra ny 30 isa no indray namoy ny ainy tany amin’ny distrikan’i Betroka sy Antsohihy. Toraka izany koa ny aretina ambalavelona izay nahakasika ankizy miisa 17 indray nanomboka ny faran’ny herinandro teo tao amin’ny CEG Ambodifotatra, distrikan’i Sainte Marie. Voatery natsahatra ny fampianarana rehetra any an-toerana vokatr’izany taorian’ny fivoriana niarahana tamin’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra sy ireo olobe any an-toerana. Tsy toe-javatra mitrangatranga ho azy ireny rehetra ireny raha araka ny fanazavan’i Kohen Rivolala. Nambarany fa vokatra nentin’ny fankalazana ny Fetin’ny maty izay nomarihina tamin’ny 01 Novambra lasa teo avokoa izany rehetra izany. Ho an’ny distrikan’i Sainte Marie manokana dia nambarany fa tena lanonambe tokoa ny fankalazana ny fetin’ny maty nanomboka 01 Novambra teo. Tsy mandeha mivavaka ny olona hoy izy fa mankeny am-pasana ary milalao sy mikirakira ny taolan’ny maty ary mihetsika tromba avy eo. Ireny fanahin’ny maty nantsoin’ny olona ireny hoy hatrany izy no miparitaka ka mitondra ny fanahin’ny fahafatesana izay mamono olona marobe ankehitriny. Toraka izany koa ny aretina ambalavelona. Tontolo ara-panahy no mifehy izany hoy hatrany izy.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo karazana lozam-pifamoivoizana nitranga teto amintsika !
 

Dans la même rubrique

19-nov-2026

Nanda ny fiampangana ireo 11 voarohirohy

Card image cap
19-nov-2026

Tokantrano 2,5 tapitrisa

Card image cap
19-nov-2026

Mpianatra 80 hisitraka

Card image cap
19-nov-2026

Trano telo potika,

Card image cap
19-nov-2026

Ankizy miisa 80 notolorana

Card image cap
19-nov-2026

Mbola misy azo antenaina

Card image cap