kopia mari-pahaterahana
Ankizy miisa 80 omaly Alarobia 18 Novambra no notolorana kopia mari-pahaterahana ho an’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano. Efa vita tamin’ny volana Aogositra lasa teo ny fotoam-pitsarana raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy taorian’ny ezaka nataon’ny kaominina. Telo tamin’ireo mpangataka no fantatra fa nolavin’ny fitsarana. Antony nahatonga izany raha araka ny fanazavana azo ny efa fananan’izy ireo kopia ara-dalàna saingy adinony ny laharana. Toy ny manao hosoka ny manao izany hoy Randriantsoa Jimmy ka melohin’ny lalana. Miantso ireo olona manadino ny laharan’ny kopiany araka izany ity Ben’ny tanana ity mba ho avy hanatona ny kaominina fotsiny fa tsy sanatria mbola hanatevin-daharana indray ireny hetsika fanomezana kopia faobe ireny. Ankoatra izay dia nomarihiny ihany koa fa betsaka ireo manararaotra ny hetsika fanaon’ny kaominina tahaka izany isan-taona na dia mponina avy any amin’ny kaominina hafa aza. Tsy maninona anefa izany hoy izy fa raisina ho adidy hatrany eto amin’ny Firenena ho fanasoavana ny mpiara-belona. Efa nihena ho 80 isa sisa vokatr’izany ireo nomena kopia tao Alasora tamin’ity taona ity raha nahatratra 200 isa tamin’ny taon-dasa.
Pati
Legende : Efa fanaon’ny kaominina Alasora ny manao hetsika fizarana kopia faobe tahaka izao !