Resaka valifaty, poizina nampiasaina mifamahofaho,…
Nirosoana nanomboka omaly ary mitony anio 19 novambra 2026 ny Fitsarana ny raharaha Ambohimalaza, tranga ny 14 jona 2025, nisiana fahapoizinana na fanapoizinana goavana nahafaty tanora miisa 35 tamin’ny tsingerin-taonan-dRakotoarimanana Mamonjinaina Fenohasina na Fenohasina. Raharaha izay nalefa mivantana tamin’ny haino aman-jery. Miisa 11 ireo voampanga tamin’ny raharaha Ambohimalaza, ary samy nadinina sy nanome ny fanazavany teo anatrehan’ny Fitsarana nandritra ny fihainoana. Nisongdina Randriamanga Clarisse, izay tompon’antoka voalohany tamin’ny fikarakarana ny sakafo. Voalaza fa niaiky nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary izy fa nandraraka vovon-javatra tao anaty sakafo. Voaresaka tamin’izany ny mety ho resaka valifaty noho ny fahafatesan’olona akaiky azy. Nandà izy tany amin’ny famotorana ara-pitsarana voalohany, raha niaiky ho nandraraka zavatra tamin’ny sakafo tamin’ny famotorana mafy nataon’ny zandary. Nandà izany omaly, ary nilaza fa niharan’ny vono nataon’ny zandary no nahatonga azy hanaiky. Mifanojo amin’izany ny resaka momba ilay vovon-javatra. Araka ny fanambaran’i Clarisse dia i Razafindravony no nanome azy izany. Nandà tanteraka kosa ity mpitsabo nentim-paharazana ity ka nilaza fa fanafody ho an’i Clarisse sy ny zanany no nomeny, fa tsy poizina. Tambavy sy mena-boay, fanala jiaby, ary rano voahasina no nambarany fa ampiasaina, fanafody voalazany fa manasitrana. Nilaza ho niharan’ny vonon’ny zandary sy i Clarisse moa izy, ary niaiky ho nanao izany i Clarisse. Anisan’ny voampanga ihany koa i Nasandratriniaina Mendrika Lavorary. Voarakitra ao anatin’ny taratasim-piampangana fa voarohirohy ho mpiray tsikombakomba izy, saingy nanazava fa tsy misy hidirany amin’ilay raharaha satria tsy fantany akory ny fisian’ilay lanonana. Nambarany fa nisy tsy fifankahazoana teo aminy sy Fenohasina, havan’ny vadiny, ka izay no mety nahatafiditra ny anarany tao anatin’ny raharaha. Voaresaka tamin’izany ny lonilony nateraky ny resaka fampialonana sy ny findramana “couronne” tsy voaverina. Voatondro ho niray tsikombakomba tamin’i Clarisse izy, indrindra satria nisy fotoana nindran’ity farany ny findainy. Nandalo teo anatrehan’ny Fitsarana ihany koa ireo olona voakasiky ny fikarakarana sakafo, mpivarotra sakafo,… izay samy nandà fa tsy nanapoizina, fa ny asa fanaony no nataony, ary tsy mbola nisy mpanjifa voapoizina sy maty.
FANAFODY MAMPATORY, MAMPALEMY,…
Isan’ny zava-baovao nisongadina ny resaka fitiliana izay nisy natao teto Madagasikara sy tany ivelany, anisan’izany tany Strasbourg sy Maurice. Nipoitra ny olona iray antsoina hoe Pr Pierre Rasolonirina, izay niditra nivantana nilaza fa tsy misy hidiran’ny belandona sy datura ny valin’ny fitiliana. Benzodiazépines, fanafody mampatory, méthanol, singa fanamboarana toaka gasy, GHB (gamma-hydroxybutyrique) zava-mahadomelina fampatoriana,… no nambarany fa hita tao anatin’izany. Nomarihiny, fa saika fanafody tsy tokony ho hita ao anaty vavony satria amin’ny alalan’ny tsindrona no fampiasana azy matetika. Ireo akora ireo dia mety hiteraka fahasemporana, hanova ny fitempon’ny fo ary mety hampijanona ny fiasan’ny fo mihitsy. Mifahofaho izany eo ny hoe : tena ny ambara fa fanafody gasy nambara fa nalaina tamin-dRazafindravony sa fanafody avo lenta nafarana avy any ivelany ? Araka ny fanazavan’ny Dokotera Pierre Rasolonirina kosa dia tsy nisy porofo ara-pitsaboana nahitana beladone na datura tao anatin’ireo fitiliana natao. Mbola isan’ny andrasan’ny Fitsarana noho izany ny fanazavana mazava momba ny tena niavian’ilay vovon-javatra sy ny anjara andraikitry ny tsirairay amin’ity raharaha Ambohimalaza ity.
FENOHASINA SY NY RESAKA PAPA SOSY…
Isan’ny nandrasan’ny maro ny fanazavan’i Fenohasina, izay nitsipaka tanteraka ny fiampangana azy. Nambarany fa isan’ireo narary taorian’ny sakafo ihany koa izy ary efa nandalo fitsaboana. Nanolotra taratasy ara-pitsaboana avy amin’ny HJRA izy hanamarinana izany. Nolaviny ihany koa ny filazana fa manana “papa sôsy”, ka nohamafisiny fa ny fanampian’ny havany no nahafahany nikarakara ny lanonana. Niteraka adihevitra ihany koa ny momba an’i Jiza Ralison Nambinintsoa, izay voarohirohy amin’ity afera ity. Nisy fifandraisana sy fifankatiavana tany aloha, tsingerin-taona tany Ampitatafika ny taona 2024, saingy nifanao « blocage » tamin’ny tambajotran-tserasera. Niverina niresaka taty aoriana sy niaraka taty aoriana, saingy nambarany fa fotoana fohy. Nandà mafy anefa i Jizza Ralison Nambinintsoa ka nilaza fa naman’ny tambajotra sosialy fotsiny izy ireo. Nohamafisiny fa tsy nandray anjara tamin’ny famatsiam-bola ny fety, tsy nanome ilay vola 2 tapitrisa ariary voalaza, ary tsy nanatrika akory ny lanonana satria tsy fantany ny daty nanaovana izany. Nambarany ihany koa fa « opérateur économique » sy mpanao « lapidaire » no asany, ary nolaviny ny filazana fa izy ilay “papa sôsy” resahin’ny olona. Nandetika azy ho mandainga kosa i Fenohasina, ary vaky hatramin’ny hoe : efa nanao firaisana ara-nofo, misy sary tany amin’ny efitranon’ilay lehilahy,… Voalaza fa olona manodidina ny 30 no nasaina tamin’ny fomba ofisialy, saingy nitombo ny isan’ireo niara-nihinana satria nisy vahiny sy ankizy nentin’ireo nasaina. Araka ny fanazavan’i Fenohasina, noho ny hariva sy ny tsy fisian’ny fitaterana dia tsy azo natao ny nandefa azy ireo hody ka niara-nisakafo daholo izay tao an-toerana.
AVO LENTA, MIFAMAHOFAHO
Mbola betsaka ny baraingo sy zavatra mifahamofaho amin’ity raharaha ity ka andrasana ny tohiny anio. Ny isan’ny nisongadina omaly dia samy nandà ny fiampangana azy ny rehetra, raha nisy ny niaiky tany aloha. Maty ho azy izany ireo olona 35 ? hoy ny mpitsara ? Teo ihany koa ny resaka fampiasana fanafody mampatory, mampalemy, manepotra,… Sao sanatria tafiditry amin’ny resaka fanolanana na « viol » satria misy karazana fanafody vaovao voatanisa toy ny GHB izay isan’ny antsoin’ny vazaha hoe : « drogue du viol »? Zavatra mifamahofaho sy vaovao izany ny hoe : tsy marin-toerana ny nilazana fa « belladone » sy « datura » nitaritana ny saim-bahoaka, saingy miova izany ankehitriny raha io famaritana vaovao omaly io. Inona no tombotsoan’ny Fitondrana tamin’izany sy ny antony raha tena tsy izay akory ? Midika fa misy hidiran’ny politika tamin’izany iny afera iny ? Endrika maneho fa heverina ho avo lenta sy sarotra ity raharaha Ambohimalaza ity saingy ny irariana dia ny hoe : enga anie hivoaka ny tena marina mba tsy ho matimaty foana ireo tanora 35 ?
Toky R