airtel

Actualités

19-nov-2026

Masiaka

ny varatra

Sample post image

Trano telo potika,

19-nov-2026

vehivavy iray torana tany Ambohitrolomahitsy
Namela takaitra tao amin’ny Kaominina Ambohitrolomahitsy Distrikan'i Manjakandriana ny oram-baratra nivatravatra omaly tolakandro. Trano niisa telo tao Maropapango, Fokontany Andrainarivo no nilatsaham-potaka. Nihehitra mihitsy ny iray tamin'ireo trano ireo ka may kilan’ny afo tsy nisy azo noraisina ny entana rehetra tao anatiny. May tao daholo ny taratasy rehetra mahakasika ny omby, tany sy ny tranon'izy ireo, hoy Randriamparany Jean Bosco, Ben'ny tanànan'i Ambohitrolomahitsy. Nisy Renim-pianakaviana iray torana, ihany koa hoy ity farany saingy efa nahazo fitsaboana ary tsy atahorana intsony ny fahasalamany. Maneho firaisankina amin'ireo fianakaviana tra-boina ny Kaominina ary vonona ny hanohana sy hijery azy ireo ny Ben'ny tanàna. Afaka manatona ny Biraon’ny Kaominina na ny Fokontany Andrainarivo ihany koa ireo maniry hanampy ireo fianakaviana traboina, hoy Randriamparany Jean Bosco.
Jean D.
Trano nilatsaham-potaka tao Maropapango, Kaominina Ambohitrolomahitsy
 

Dans la même rubrique

19-nov-2026

Vokatra nentin’ny fankalazana

Card image cap
19-nov-2026

Nanda ny fiampangana ireo 11 voarohirohy

Card image cap
19-nov-2026

Tokantrano 2,5 tapitrisa

Card image cap
19-nov-2026

Mpianatra 80 hisitraka

Card image cap
19-nov-2026

Ankizy miisa 80 notolorana

Card image cap
19-nov-2026

Mbola misy azo antenaina

Card image cap