Ny zanaky ny isan'ireo voarohirohy amin'ny raharaha Ambohimalaza, fantatra amin'ny hoe Clarisse, izay zaza vao 7 taona, no zandriny indrindra tamin’ireo vavolombelona efa nijoro hatreto nandritra ity raharaham-pitsaràna ity, raha ny hita teny amin'ny lapan'ny fitsaràna Anosy, hatramin'ny omaly aloha. Nitantara ny aretina nahazo azy taorian’ny tsingerintaona mainty izy. Nanambara ity zaza ity fa narary kibo taorian’ny fety ary nentina teny amin’ilay mpitsabo nentim-paharazana fantatry ny maro amin'ny hoe Rabebe. Ny alahady, hoy izy, no efa nandehanan’izy ireo teny amin’i Rabebe. Nisy fanafody nomena azy ary nisy ihany koa ny fanafody nolaniana teny an-toerana ihany. Ny talata indray izy ireo no niverina ary io no fotoana farany nandehanany teny amin’ny Rabebe, raha ny nambaran'ity zaza ity omaly hatrany.
Nangonin'i J. Mirija