airtel

Actualités

20-nov-2026

Sangodim-panin’ny

afera Ambohimalaza

Sample post image

●Zava-mahadomelina hanolanana,

20-nov-2026

tambajotrana mpivaro-tena,...
●Mpianakavy tsy nisy maty, lonilonim-pianankaviana, ady lehilahy,...

Niolakolaka tamin’ny ankampobeny ireo voapanga, na dia somary nampiaka-peo aza ny mpitsara, fa izy ireo no hizaka ny vokany, rehefa tsy hamoaka ny olona mety mbola harovana sy hafenimpenina any ambadika any mikasika ny raharaha Ambohimalaza Fanontaniana manitikitika napetraky ny mpitsara ny mety ho fahatafidiran’ny mety fikasana hanolana amin’ity raharaha ity, toy ny resaka fanafody GHB (Gamma-Hydroxybutyrique) izay karazana fanafody fampatoriana ary isan'ny ampiasain'ireo olona mieritreritra hanolana satria tao rahateo nisy chambre! Sao nisy fikasana hanao izany fa nihoatra ny daoziny dia niteraka faty olona? hoy ny Mpitsara, saingy tsy nahitana tsy tena nahitana valiny ny voapanga. Mbola nitohy tamin’ny hoe : iza no mpamatsy anareo amin’ity GHB,… Tahaka izany ihany koa ny fanontaniana mikasika ny mety ho fahatafidirana amin’ny vondrona tovovavy manjamanja, mikambana, mifampitaona rehefa misy fivorian’ny mananamanam-bola sy manamboninahitra. Misy vondrona ahitana tovovavy kely latsaky ny 30 taona, ampiasaina mpanam-bola izay raha vantanina dia hoe : « mpivaro-tena ». Voaresaka ny fampiasan’i Fenohasina kaonty fako antsoina hoe Milanto Armelle, ka isan’ny manaitra ao anatin’io ny ranty ny tamin’ny 24 jona 2024 rehefa nezahina mba nojerena hoe : « Le temps dira qui a perdu qui » izay raha adika tsotsotra dia hoe : « ny fotoana no hiteny hoe : iza no very an’iza ? » Notsikafonin’ny teo anivon’ny Fitsarana ny hoe : tsy miasa i Fenohasina, ny Ray aman-dReniny tsy dia hoe tena manana fari-piainana ambony be, kanefa mahavidy finday raitra, izay I-phone, saingy nambarany fa fianankaviany any Suisse no mandefa entana tahaka izany aminy. Tahaka izany ihany koa i Murella zokiny izay I-Phone 12, ka nilaza fa manao « vente en ligne » no ka mila mala sary, ka namana ipetrarana no nanome finday. Nihoraka moa ny mpanaraka naheno izany. Nohizingizin’ny fitsarana ny hoe : amin’ny fomba ahoana no nahafahany fankalazana tsingerin-taona miezinezina tahaka ireny ? Mety ho irika hafa ihany koa ireo.

NAHOANA NO TSY MATY I FENOHASINA, IREO ZOKINY, NY RENINY,… ?
Isan’ny navoitran’i Fenohasina moa fa nisy olona roa vehivavy niaraka tamin'ny tompon'ny Espace, tsy nifampiresaka taminy kanefa niditra tao amin’ny toeram-pilanonana,... Nilaza ho tsy afaka manamafy na tsia fa ireo no namafy ny poizina. Samy nilaza ho samy narary mafy moa na i Fenohasina na ny reniny na ny zokiny mianadahy, saingy samy vaky vava ny mpitsara hoe : samy nihinana ny sakafo daholo, saingy tsy nisy maty ka vavony vy ve ny azy mianakavy ? Mety ho irika na « piste » iray io. Nanaitra ihany koa ny fano fanadihadiana an'i Fafah, renin'i Fenohasina, izay voalaza fa nisy olona nanatona anao saika haka tamin'ny sakafo teo akaikinao dia noraranao hoe ery maka. Nolaviny ho tsy marina izany, saingy nahitsy ny mpisolovava nilaza hoe : hitanao fa hisy hijoro vavolombelona eo avy eo. Voaresaka ny resaka famafana zavatra tao anatin’ny findain’i Fenohasina, saingy nilaza ho tsy mahafantatra ny reniny izay nitazona ny findainy talohan’ny nakan’ny zandary azy. Mbola baraingo hoe : iza izany no namafa azy ?

NIFANDEDIKA I CLARISSE SY MURELLA
« Raha izaho manokana dia clarisse no eritreretiko. Maro loatra ny fifandrifian-javatra ohatran’ny hoe mampifandray an’i Clarisse amin’ilay izy », hoy i Muriella. Nomarihiny fa tia manao fety, tia misakafo rehefa misy fety,... Tamin'io tsy ohatr'izay, tsy nandihy toy ny fanaony, rehefa tonga ry Sissi no nidina izy. Naninona i Clarisse no tsy narary toa anay, hoy izy. Tany amin'ny hopitaly, Clarisse milaza tsy miresaka amin'i Mendrika kanefa tonga dia nanatona an'i Mendrika sy nijanona teo tsy niaraka taminay. Araka ny zavatra hitako, dia izy nifona tamin'ny fianankaviana, Rajoelina dia nilaza fa efa nisy olona nifona tamin'ny fianankavian'ny maty, hoy ity zokin’i Fenohasina ity. Nilaza kosa i Clarisse hoe samy milaza ho nahita azy nandraraka fanafody ve i Murella, saingy « Tsy hitako fa ny zava-misy no mahatonga ahy miteny hoe sao dia izy », hoy indray i Murella. Voalaza fa manana valifaty amin'i Sissi i Clarisse fa hoe namono ny zokiny, saingy namaly indray hoe : « mpanampy ahy Sissi ka tsy manana antony tokony hamonoana azy ». Nanizingizina i Clarisse fa ry Murella no mahalala olona avy any ivelany sy tokony hahalala ny ao ambadik’izao raharaha izao, ary niezaka niaro tena fa fanerena sy vono tany amin’ny zandary no nanekeny ho namafy vovon-javatra. Mifanohy amin’io ny fiampangan-dRakool mikasika ny disadisa noho ny fampirafesana nataon’i Tolotra (iray amin’ireo maty) an’i Fenohasina, Sissi,… Mety hirika iray hafa io.
A ENCADRE
Mbola tena mifamahofaho aloha amin’ny ankampobeny ny raharaha. Tsy mety mipoitra ny mety fisiana mpanam-bola ao ambadiky ny raharaha, mpamatsy ireo heverina fa fanafody mampatory sy mahafaty,… na nisy aza anarana maromaro voatonona izay misy nambara fa mpanamboatra nify, misy voalaza fa any Etazonia,… Nisy ny karazana savorovoro kely teny amin’ny Fitsarana omaly noho ny fihetseham-po tsy voafehy. Hitohy anio ny raharaha…
Toky R


 

Dans la même rubrique

20-nov-2026

Ankoatra ireo voapanga,

Card image cap
20-nov-2026

tamin'ireo nijoro vavolombelona

Card image cap
19-nov-2026

Vokatra nentin’ny fankalazana

Card image cap
19-nov-2026

Nanda ny fiampangana ireo 11 voarohirohy

Card image cap
19-nov-2026

Tokantrano 2,5 tapitrisa

Card image cap