niditra tamin’ny fihainoana ireo vavolombelona ny mpitsara sy mpisolovava omaly mikasika ny raharaha Ambohimalaza. Nanamafy ireo fianakavian’i Fenohasina nandritra ny fijoroana vavolombelona fa tsy nisy olana na disadisa teo amin’ny fianakaviana, na dia teo aza ireo resaka momba ny fifandraisan’i Tolotra, vadin’ny zokin’i Razafindranaivo Kolina na Rakool, tamin’ireo vehivavy sasany tao anatin’ny fianakaviana. Anarana nisongadina omaly ny an’i « Tolotra », izay iray amin’ireo maty. Anisan’ireo nohainoana i Rakool mpilalaon’ny Barea CHAN vadin’i Mendrika Lavorary sady havan’ny sasany amin’ireo voakasiky ny raharaha. Nambarany teo anatrehan’ny Fitsarana fa efa nisy fifandraisana teo amin’i Fenohasina sy Tolotra izay isan’ny maty. Araka ny fanazavany, dia nisy mihitsy aza taxi-moto nanatitra azy roa ary fantatry ny olona maro izany. Nohamafisiny fa efa tamin’ny fotoana mbola niarahan’i Sissi sy Tolotra no niseho ireo tranga ireo. Raha ny fitantarany, tratran’i Sissi ny hafatra nifanaovan’i Tolotra sy ny renin’i Fenohasina, ka nahatonga disadisa teo amin’izy roa tonta. Nambarany ihany koa fa maro ireo vehivavy voalaza fa nifandray tamin’i Tolotra, saingy tsy tadidiny avokoa ny momba azy ireny. Niresaka ny tsy fifankahazoana nisy teo amin’i Fenohasina sy Mendrika ihany koa i Rakool, izay nolazainy fa efa nanomboka tamin’ny raharaha « couronne » tamin’ny taona 2023. Momba ireo zava-nitranga talohan’ny loza kosa dia nohazavainy fa i Mendrika no nankany aminy ny sabotsy maraina. Taorian’ny fisarahan’izy mivady dia mbola nanao fandefasana mivantana na "live" i Mendrika, izay voalaza fa nifarana tamin’ny 8 ora alina, ary rehefa izany dia nandeha natory izy. Nijoro ho vavolombelona ihany koa i Tinasoa Lina Fandresena Fiononana, havan’i Mendrika sy Fenohasina. Nandritra ny fijoroany dia nilaza izy fa niharan’ny fanolanana nataon’i Tolotra, ka niteraka vohoka azy izany araka ny nambarany. Nohazavainy fa nisy vokany tamin’ny fianakaviany ihany koa ireo zava-nitranga, ary nambarany fa niharan’ny tsingerintaona mainty ny zandriny. Na izany aza anefa dia nohamafisiny teo anatrehan’ny Fitsarana fa nisy tokoa ny fifandraisana teo amin’izy sy Tolotra. Nambarany ihany koa fa olona nanam-bola i Tolotra. Etsy ankilany kosa, nandà mazava ny filazana rehetra momba ny fifandraisana tamin’i Tolotra i Fenohasina. Nambarany fa tsy marina ny voalazan’i Rakool sy Fandresena momba ny fisian’ny fifandraisana teo amin’izy sy Tolotra. Io no iray amin’ireo teboka niteraka fifanoherana teo amin’ny fijoroana vavolombelona nandritra ity fotoam-pitsarana efa faramparany omaly, izay mbola mitohy hodinihin’ny Fitsarana amin’ny fikarohana ny marina sy ny zava-nisy marina tao ambadik’ity raharaha nampisavorovoro ny sain’ny maro ity. Endrika maneho ilay resaka disadisam-pianankaviana io, ankoatra ilay fifampiampangana fa nisy valifaty nambara fa nokasain’i Clarisse noho ny fahafatesan’ny zokiny, ka ilay hoe : Sissi izay tao anatin’ny fianankaviana, ary isan’ny maty ihany koa. Mety hirika iray ho an’ny Fitsarana io toe-javatra io…
Toky R