Eto Madagasikara ny delegasiona avy amin’ny ESAAMLG na ny Eastern and Southern Africa Anti Money Laundering Group, nanatanteraka iraka fanombanana nifantoka tamin’ny fanamafisana ny rafitra ara-bola sy ara-pitsarana, indrindra amin’ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana eto an-toerana. Noraisina tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha omaly, ka ny Kolonely Randrianirina Michael, Filohan’ny Fanavaozana, no nandray sy nitarika ny fifanakalozan-kevitra, niaraka tamin’ny Praiminisitra, izay nanotrona ny fotoana. Nisaotra manokana azy ireo ny Filohan’ny Fanavaozana ny mpikambana ESAAMLG noho ny kalitaon’ny fifanakalozan-kevitra sy ny mangarahara naseho fa indrindra ny fifampitokisana nandritra ny iraka. Notsindrian’ny PRRM fa nametraka paikady mazava i Madagasikara amin’ny alalan’ny « National Risk Assessment », izay manome tari-dalana ho an’ny Andrim-panjakana rehetra amin’ny laharam-pahamehana sy ny hetsika tokony hotanterahina. Tsy raisina ho fitsapana fotsiny ny fanombanana fa ho fotoana hanamafisana ny tanjaka sy ny lesoka mbola mila hatsaraina, mba hanamafisana ny fahamarinan-toeran’ny rafitra ara-bola sy ara-pitsarana eto amin’ny firenena. « Raisinay am-panamarihana ny fanamarihana sy ny soso-kevitra arosonareo satria mino izahay fa hanampy anay hanamafy bebe kokoa ny rafitra nasionaly hiadiana amin’ny famotsiam-bola, ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana ary ny famatsiam-bola ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana mahery vaika izany », hoy hatrany ny PRRM Kolonely Randrianirina Michael.
Toky R