airtel

Actualités

27-juil-2026

Politika, fikarohana

siantifika, tafika

Sample post image

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

27-juil-2026

Nodimandry ny Minisitra ny sabotsy 25 jolay 2026 teo amin’ny faha-71 taonany ny Minisitry ny Asa Vaventy teo aloha (2011-2014), Docteur-Ingénieur-Colonel (E.R) Botomanovatsara, araka ny fampafahantarana ofisialy nataon’ny Ministeran’ny Asa Vaventy. Nitarika ny Ministeran’ny Asa Vaventy sy ny Météorologie izy teo anelanelan’ny 2011–2014 izany hoe tamin’ny andron’ny tetezamita notarihin’i Andry Rajoelina no isan’ny nahafantarana azy. Efa lohona teo aloha izy, manamboninahitra ambony tao amin’ny tafika malagasy, manana mari-pahaizana dokotera sy injeniera, ary fantatra amin’ny maha mpampianatra tao amin’ny Institut Supérieur des Technologies (IST). Nanao fikarohana manan-danja momba ny fizotry ny rano amin’ny tany « porous » izay nampiasa « équations différentielles fractionnaires », nanampy tamin’ny fanatsarana ny fanorenana lalana sy fotodrafitrasa. Ny fandalinana nataony dia nanazava ny fomba tokony handinihana ny hamandoan’ny tany, izay matetika tsy noheverina tamin’ny asa fanamboaran-dalana. ?amoaka lahatsoratra tao amin’ny International Journal of Advances in Engineering & Technology (IJAET), mitondra lohateny hoe « New Numerical Algorithm To Compute Eα(–z α) », izay nahazo fankasitrahana avy amin’ny tontolo siantifika ary nampiharina tamin’ny « génie civil » sy ny fambolena,... Anisan’ny asany sy nahalalana azy ireo, fa isan’ny mety tsaroan’ny maro ihany koa ny tamin’ny lafiny politika ny toe-draharaha nafampana tany Vohipeno tany aloha, mikasika fitarihana rafitra nentim-pahazarana,... Ny nofony dia hiala ao amin’ny tranony Ambohitrarahaba Lot Ab 156 V ny Alatsinainy 27 Jolay 2026 amin’ny 10:30 maraina, ho entina ao amin’ny Chapelle Militaire Ampahibe, alohan’ny hametrahana azy any amin’ny fasan-dRazany ao Vohibolo, Kaominina Ankarimbary, District Vohipeno, araka ny fampahafantarana ofisialy. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany manontolo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

karaman’ireo depiote hamahana delestazy ! »

Card image cap
16-sept-2026

Mbola tsy mivaha tanteraka ireo

Card image cap
16-sept-2026

124 miliara dolara ho an’i Afrika, zara raha 406 tapitrisa dolara ny antsika

Card image cap
16-sept-2026

Niverina ofisialy omaly 15 septambra 2026

Card image cap