airtel

Actualités

02-juin-2025

Fanorenan-trano mety hiteraka fahatapahan-drano

Nitokona ny mponina teny 64Ha Avaratra Andrefana

Sample post image

Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,

02-juin-2025

kaominina Antananarivo renivohitra raha efa tsy maintsy hiaretana ny delestazy. Vokatry ny fisian'ilay trano lehibe haoriana eny an-toerana no mety hiteraka izany hoy ireo mponina izay nivoaka nilanja sora-baventy nandehandeha eran'ny tanana mihitsy afak'omaly Sabotsy 31 May, nampahafantatra ny zava-misy. Misy angara lehibe miantoka ny famatsiana rano ireo mponina ireo mantsy ao ambanin'ity trano vao haorina ity. Efa nisy ny didim-pitsarana nivoaka laharana faha-20 tamin'ny 09 Aprily 2025 mandidy ny tokony hampiatoana ny asa fanorenana noho izany saingy mbola mitohy hatrany izany,hoy hatrany ireo mponina. Miantso ny fitondram-panjakana mba handray ny andraikiny noho izany izy ireo, indrindra fa ny fandavana didim-pitsarana tahaka izao.
Pati
Légende : Mbola mandrosobe tahaka izao ny asa fanorenana eto !
 

Dans la même rubrique

28-juil-2026

Ahiana ny sabotazy goavana taorian’nytenin’ny PRRM

Card image cap
28-juil-2026

Nanome antoka ny ESAAMLG ny Fanjakana Malagasy

Card image cap
28-juil-2026

Tiana ampangaina ho mpamboly

Card image cap
27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap