airtel

Actualités

02-juin-2025

RESAKA ADY TANY

Novonoin'ilay Rangahy ny rahalahiny sy ny zanany vavy 2

Sample post image

Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,

02-juin-2025

distrikan'i Mandritrasa omaly Alahady 01 Jona. Nandriaka ny ra. Nasesin'ilay lehilahy nahavanon-doza novonoiny ny rahalahiny sy ny zanany roavavy. Vao 6 sy 4 taona ireto farany. Noho ny lonilony nateraky ny ady tany nisy teo amin'izy roalahy ireo no antony niteraka izao vono olona izao hoy ny loharanom-baovao azo. Efa nisy mihintsy ny fandrahonana nataon'ny mpamono talohan'izao ka voakasika ihany koa ny Rainy niteraka azy. Tamin'ny alalan'ny tsindron'antsy no namonoan'ilay tsy mataho-tody azy 3 mianaka ireo izay marihina fa efa lasa nandositra niala ny tanana ka mbola nifampitadiavana hatramin'ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Efa tonga nijery sy nizaha ny razana moa ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny.
Pati
Légende : Tsindron'antsy mahatsiravina tahaka izao no tao an-damosin'ilay lehilahy ! Sary indrana
 

Dans la même rubrique

28-juil-2026

Ahiana ny sabotazy goavana taorian’nytenin’ny PRRM

Card image cap
28-juil-2026

Nanome antoka ny ESAAMLG ny Fanjakana Malagasy

Card image cap
28-juil-2026

Tiana ampangaina ho mpamboly

Card image cap
27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap