airtel

Actualités

22-avril-2024

Adin’ny samy ngeza eny Andranovelona

Mifanolana ny tempoly sinoa sy orinasa mpanao zava-pisotro…

Sample post image

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

22-avril-2024

Monasteran’Andranovelona, izay honenana pretra na «moine» Bouddhiste miisa 60 eo amin’izao fotoana izao. Tempoly Xizu no anarana hisaloran’ny toerana ary tsy mifantoka amin’ny haiady sy fivavahana toy ny mahazatra ireto pretra mitoka-monina ao ireto, raha ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo, fa mifantoka amin’ny mozika kosa ankoatran’izay fivavahana amin’i Bouddha izay. Efa hatramin’ny taona 2019 izy ireo no nanori-ponenana teny Andranovelona ary tarihin’ny lehibeny dia ny Grand-maître Shi Wule. Nahoraka ny faraparan’ny herinandro teo, tetsy ankilan’izay, fa misy ankehitriny ny fifandirana amin’ny resaka fananan-tany eo amin’ity tempoly ity sy ny orinasa frantsay mpamokatra zava-pisotro isan’ny goavana ary naharitra an-taonany maro teto amin’ny firenena. Voalaza ho manelingelina ny loharanon’Andranovelona izay isan’ny toerana fampiasan’ity orinasa voalaza teo ity ireto pretra sinoa ireto ka dia andrasana araka izany ny tohin’ny raharaha satria dia heverina fa adin’ny samy goavana raha tena mitombina sy mihitatra lavitra tokoa ny raharaha.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Feno 7 taona katroka omaly 02 mey 2024 ny onjam-peo Top Radio 102.8 FM amin’ny endriny ankehitriny

Card image cap
03-mai-2024

Tsy afa-misaraka amin’ny hery politika na «régime politique»

Card image cap
03-mai-2024

Mampita vaovao marina sy manabe ny fiarahamonina no isan’ny andraikitry ny mpanao gazety

Card image cap
03-mai-2024

voahosotry ny big win philantrophy ho tompondakan’ny fanjarian-tsakafo ingahy Filoham-pirenena Malagasy.

Card image cap
03-mai-2024

Notokanana omaly 02 mey 2024 ny tobim-pamokarana avy amin’ny rano ao Behenjy, distrikan’Ambatolampy,

Card image cap
03-mai-2024

Lehilahy Malagasy efa manodidina ny 40 taona i Jean Mickael Rakotoniaina.

Card image cap