airtel

Actualités

03-mai-2024

Angovo azo havaozina

Hamokatra 1,4MW tobin’ny Hydromado ao Behenjy

Sample post image

Notokanana omaly 02 mey 2024 ny tobim-pamokarana avy amin’ny rano ao Behenjy, distrikan’Ambatolampy,

03-mai-2024

an’ny orinasa tsy miankina Hydromado. Manana tanjaka 1,4 MW sy mamokatra 900.000 KWh isam-bolana ity fotodrafitrasa ity, ary mamatsy herinaratra ho an’ny Fokontany Amboasary sy Morarano, ho an’ireo sekoly sy CSB manodidina, ary ny tambazotra iraisan'Antananarivo(RIA), raha ny fanazavana. Ny Filoham-pirenena moa no tonga nitokana izany, ka nilazana fa masoana ny fialana tsikelikely amin'ny famokarana herinaratra avy amin'ny solika izay andaniana 1.200 Miliara Ariary isan-taona, fa indrindra ho fitsinjovana ny tontolo iainana. Mitohy ihany koa ny fampisitrahana ny tetikasa « Branchement Mora » sy ny « Kits Solaires » ho an'ny Fokontany Amboasary. Ho tolorana « Kits » maimaim-poana ny isan-tokantrano, izay lavitry ny andrin-jiro, hoy i Andry Rajoelina. Finiavana avy amin’ny tsy miankina aloha no hita taratra, fa ny vahaolan’ny Fanjakana momba ny olan’ny angovo tsy dia hita. Ny fakana fihazakazahana amin’ny « branchement Mora » no hita taratra, fa ny famokarana herinaratra mifandraika amin’izany tsy dia hita, hany ka ny vesatra mitombo fa ny famokarana zara raha mitombo na tsy mihetsika na mihena mihitsy aza.
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap