airtel

Actualités

03-mai-2024

NOFY RIRININA...

2 taona lasa teo izay ilay hoe :

Sample post image

voahosotry ny big win philantrophy ho tompondakan’ny fanjarian-tsakafo ingahy Filoham-pirenena Malagasy.

03-mai-2024

Toa anaram-boninahitra naneso sy fandrisihana hiezaka rehefa zohiana ! Isika aza moa dia tena velom-panontaniana hoe : tena marina sy mitombina ve izany ? Sao dia anaram-boninahitra novidiana tany ambadika tany ? Dia mba maro ihany no nieritreritra fa tena ho ara-bakiteny tokoa amin’izay ilay hoe : hovokarintsika eto an-toerana ny zavatra ilaintsika, tao ny nieritreritra fa mba efa tonga saina sy nanongo tena tamin’ny fireharehana fa ny fanafarana vary no antsoina hoe fandrosoana ary tsy afaka hiandry vary roa taona vao miakatra. Dia tena nieritreritra fa hanomboka eo dia homena sehatra sy hanompanana vola ny famokarana,… Dia ny tena no menatra, fa hay mbola nofy ririnina ihany koa kanefa mba efa nieritrerira fa tonga eto Gasikara i Kagame kely faharoa satria moa i Paul Kagame Filohan’i Rwanda dia tonga saina tamin’io adin’i Ukraine io, fa tsy firenena tahaka an’io tsy misy mponina afatsy 44 tapitrisa no hamelona an’i Afrika misy mponina 1 miliara mahery. Vokany dia betsaka ny vola naompany amin’ny famokarana, ary fanambiny ny hahalaleo tena ara-tsakafo hatramin’ny 2025. Taitra tampoka aho, fa hay aho mbola eto Gasikara, hay ny azy ny tsy fanjarian-tsakafo afaka 20 na 30 taona hono farafahabetsany dia ho resy. Nitsamboatra tampoka aho hoe : sao mba diso firenena ary aho izany ? Hay kay nofy ririnina nifanojo, ka hoy aho hoe : haniry manitra ohatran’ny alika miambozon-koditra lava eto ve sa mba hifoha amin’ny torimaso amin’izay handray anjara hanova ny tantara ?
TIA TANINDRAZANA

 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,

Card image cap
22-mai-2025

Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly

Card image cap
22-mai-2025

Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana

Card image cap
22-mai-2025

An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.

Card image cap
22-mai-2025

Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :

Card image cap
21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap