airtel

Actualités

21-mai-2025

Miha mangotraka ny Base Toliara

Mikorapaka sy mivaralila ny mpitondra…

Sample post image

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

21-mai-2025

indrindra teo anatrehan’ny saika hilalaovana serasera mikasika ny fanatrehan’ny Kolonely Fanampera ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoha, ka niheverana fa hanana hena-maso sy hivadika hanaiky ny tetikasa io olobe io, kinanjo nanamafy ny fijoroany tamin’ny heviny. Tany Toliara no nilazan’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany Rakotomalala Olivier fa tsy handeha 80 na 120 fa 15m eo ihany ny halalin’ny tany hakana ny fasimainty. « Teren’ingahy Rajoelina na potehin’ingahy Rajoelina ny « conscience personnelle » an’ireo minisitra hatramin’ny Praiminisitra handeha handainga. Miaiky an’iny minisitra iny ny Banky Iraisam-pirenena, fa mahasahy mandainga amin’ny vahoaka Malagasy. », hoy kosa i Siteny Randrianasoloniaiko. Nipoitra avy eo io Minisitra io nilaza fa tsy manaraka ny soatoavina Malagasy ny mampandainga olon-dehibe teo anatrehan’ny filazana fa noterena niteny zavatra lainga teo anatrehan’ny vahoakan’Ankilimaliniky. Ny siansa tsy mba mandainga sy afaka laingaina fa rehefa eny dia eny, rehefa tsia dia tsia, rehefa 1 dia 1. Siantifika aho, nianatra matematika sy fizika izay vao nivadika tany amin’ny sekolin’ny injeniera, nandalina izany teto sy tany ivelany. Eo amin’ny 15m eo ny hatevin’ny « couche » hakana io fasika mavesatra io, ary amin’ny faritra sasany aza 3m, hoy izy, ka nilazany fa marina izany ary tsy ilana fampanerena amin’ny filoham-pirenena fa ny siansa. Ny Tale Jeneralin’ny Base Toliara Bruno Andriamahefarivo anefa efa milaza fa ny fitrandrahana ao Ranobe dia 5 hatramin’ny 40m eo ilay « couche », izay notsipihiny fa ilay « couche » no lazainy fa tsy ny fitrandrahana azy.
NIPOITRA IHANY KOA NY MINISITRY NY TONTOLO IAINANA
Nipoitra ihany koa ny Minisitry ny tontolo iainana Max Andonirina Fontaina ka nilaza omaly, fa tsy avy amin’ny toerana misy ny Base Toliara no nakana ilay sary Baobab naparitaka fa tany amin’ny toeran-kafa mbola atsimon’ny faritra Atsimo Andrefana. Tsy hisy hosimbaina ao amin’ny Faritra Arovana Ranobe PK32 ka tsy hisy baobab voakasika amin’io faritra arovana io. 95% amin’ny faritra hotrandrahana dia kirihitra ala sy bozaka. Misy baobab sasantsasany maniry fa ivelan’ny faritra arovana ka mety ho voakasika. Tsy misy tetikasa fitrandrahana maneran-tany ka tsy manana fiantraikany ara-tontolo iainana. Ny tena tokony hojerena dia « compensation » na fanarenana sy ny fampihenana ambany dia ambany ny fiantraikany. Nolazainy fa ny fahavalon’ny tontolo iainana dia tsy ny fitrandrahana fa ny fahantrana, ny filana toy ny kitay,... Nambara fa hisy tombotsoa ara-toekerana ny fitrandrahana. Namafisina ny resaka « compensation écologique » ka raha misy fikitihana amin’ny toerana iray dia harenina amin’ny hafa. Manafaka ny ahiahy amin’ny resaka taratra « radioactif » isan’ny itoeran’ny ahiahin’ny mponina ankoatra ny mety ho fitrohana ny rano amin’ny mety hahavoakasika ny « nappe phréatique » ve ? Ny faritra arovana ihany koa dia misy ny tokony hitandroana ny antsoina hoe : « zone tampon » manodidina azy izay 2 hatramin’ny 5km ka manao ahoana ny momba izay ?
TSY MITOMBINA ! LASA FIFAMELEZAN’NY SAMY OLONA
Nipoitra ihany koa ny fandalinana samihafa, toy ny nataon’i Patrick Raharimanana, fa avo 2 heny amin'ny minerais lazain’ny Energy Fuels ho alainy ao izany, ny tany loharana amin'ny velaran-tany 1200ha amin'ny alaliny 15m. Mba ahazoana io minerais mavesatra nokajiana ho 2580Mt izany, dia na manitatra mangady lalina kokoa, 60m, izay ahazo ny « nappe phréatique », misy ny rano fisotro. Na anitatra ny velarana any amin'ilay 7700ha nahazoana ny permis, ka dia hiditra hanakaiky ny alan'i Mikea,…. Hatreto izany, kajy T5 dia efa mandiso ny tohan-kevitry ny Minisitra Harena ankibon'ny tany, milaza fa 15m ihany no alalin'ny lavaka atao, hoy ny ampahan’ny fanehoan-keviny. Mbola samy eo ankebakeban-dalana na ny orinasa na ny Fanjakana, tsy maintsy hapetraka ny lalàna LGIM (Loi sur les Grands Investissements Miniers) ahafahana tena mampiodina ilay orinasa sy ny fomba fitrandrahana. Raha ny marina dia mety any amin’ny 2027-2028 vao hitrandraka ary 2029 na 2030 vao hanondrana, ka inona no tsy hanazavana azy tsotra. Tsy tokony hoentina any amin’ny adihevitra politisianina fa « débat d’idée », hoy kosa i Heritiana Rasoamiaramanana dit Zaref mpitarika ny Faribolana MAHAI, izay nanamarika fa lasa tsy adihevitra, fa fifamelezan’ny olona samy olona.
Toky R

 

 


 

Dans la même rubrique

11-juin-2025

Fotoana izao anovana ny rafitry ny angovo eto Madagasikara, hoy ny mpandinika fiainam-pirenena,

Card image cap
11-juin-2025

Mitohy ny fandromban'ny mpijirika ny harem-pirenena Malagasy.

Card image cap
11-juin-2025

Raikitra ny Foaraben’Ambohidrapeto andiany voalohany,

Card image cap
11-juin-2025

Inoanay fa tsy hanoso-bohon-tanana anay ny sehatra iraisampirenena,

Card image cap
11-juin-2025

Tafody eto Madagasikara ny 5 jona teo ireo malagasy miisa 9

Card image cap
10-juin-2025

feno avokoa ireo fitaovana fototra rehetra ho an’ny fananganana ny tobim-pamokarana

Card image cap