ara-dalana ao anatin'ny distrikan'Ambohidratrimo. Misy tambajotra matanjaka mpiketrika izany mihitsy ao anatin'ity distrika iray ity, raha araka ny fanazavan'ny Depiote Rakotoarisoa Johnny voafidy any an-toerana. Tsy latsa-danja amin'io ny fanotofana tany tsy ara-dalana izay mampikaikaika sy mampitaraina olona maro tokoa hoy hatrany izy. Tsy hipetra-potsiny ity solombavambahoaka iray ity sy ireo tompon'andraikitra ao anatin'ny distrikan'Ambohidratrimo noho izany fa hitondra ireo karazana porofo eo anivon'ny Fitondram-panjakana mba hahafahana mamaha ny olana. Ny vahoaka Malagasy foana hatramin'izay hoy izy no nanajary ny taniny ary tsy misy ambonin'ny lalana. Notsiahivin'ity solombavambahoaka iray ity koa moa fa mbola maro amin'ireo kaominîna ao anatin'ny distrika nahavoafidy azy no mbola tsy misy herinaratra na jiro. Tafiditra ao anatin'izany ny kaominîna Mahabo. Manimba ny tontolo iainana anefa hoy izy raha hampiasana fitaovana mpamokatra herinaratra 24 ora amin'ny 24 ora hatrany ny rehetra koa hangatahiny maika ny tokony hitondrana vahaolana mifandraika amin'izany.
Pati
Légende : Mahazo vahana hatrany ny halatra tany eto amintsika !
Tsy anaty kitapombolam-panjakana ny fitakiana, tsy zo iny fa « prime » !»
Tsy tokony ho be kolikoly sy hamoritra vahoaka ny manamboninahitra »