airtel

Actualités

22-mai-2026

FIKAONAN-DOHAM-PIRENENA

Tsy tokony hisy hatao ankilabao,

Sample post image

hoy ny Filohan'ny Synad

22-mai-2026

Naneho ny heviny mikasika ny fikaonan-doham-pirenena karakarain'ny FFKM sy ny Fitondram-panjakana ny Filohan'ny sendikan'ny Administratera sivila Rakotomanana Solofotahiana. Nambarany fa tsy tokony hisy olona hahilika na hatao an-kilabao na dia iray aza hahafahana manapotsitra ireo tena maharary eto amin'ny Firenena. Tsy tokony ho ferana ho an'ireo 18 taona no mihoatra ihany koa hoy izy izany fa rehefa manan-kevitra dia mety avokoa, fikaonan-doha izay tokony hiainga eny anivon'ireo Fokontany miisa 20.000 manerana an'i Madagasikara, mandalo ireo kaominina 1695, ireo distrika 120 isa, ny prefektiora 25 ary ireo faritra 24. Ho an'ny Fokontany dia nomarihiny manokana fa tsy maintsy hasiana fiantsoana fivoriana fanindroany na fanin-telony izany raha sanatria ka tsy mahatratra ny antsasaky ny isan'ny mponina ireo tonga.maneho hevitra. Anisan'ny tena handrandraina hoy ity Filohan'ny Synad ity ny fahasahian'ny olom-pirenena tsirairay avy milaza ny marina tsy misy tahotra na hena-maso eo ambany fiarovan'ny Fitondram-panjakana. Noraisiny ohatra ny zavatra tsy mety eo anivon'ny Fitsaràna izay mampitaraina ny maro toy ny fakana vola aman'olona, ny kolikoly etsy sy eroa....Raha izany rehetra izany no vita sy tontosa soa aman-tsara ao anatin'ny fotoana voafetra hoy izy dia inoana fa olana maro eto amin'ny Firenena no hivaha sy ahitam-bahaolana ary hitanteraka marina Ilay fanavaozana kasain'ny mpitondra ankehitriny hotanterahina.
Pati
Légende : Ny filoha nasionalin'ny sendikan'ny Administratera sivila Rakotomanana Solofotahiana !

 

Dans la même rubrique

22-mai-2026

Tsy anaty kitapombolam-panjakana ny fitakiana, tsy zo iny fa « prime » !»

Card image cap
22-mai-2026

Tsy tokony ho be kolikoly sy hamoritra vahoaka ny manamboninahitra »

Card image cap
22-mai-2026

ireo hisakafo ao amin’ny PHO Resto

Card image cap
22-mai-2026

Mirongatra ny halatra tany tsy

Card image cap
21-mai-2026

aza ny fitondràna!»

Card image cap
21-mai-2026

no any Rosia Ambasadaoro 3 vaovao

Card image cap