airtel

Actualités

22-mai-2026

Namaly ireo miaramila

misotro ronono ny Minisitra

Sample post image

Tsy anaty kitapombolam-panjakana ny fitakiana, tsy zo iny fa « prime » !»

22-mai-2026

Misy ny fitakiana ataon’ireo miaramila misotro ronono izay nanome 48 ora ho an’ny Fanjakana handoavana manontolo ny " pécule " frais d'installation karama 10 volana ambiny, raha ny fanambaran’izy ireo. Nanambara fa hampakarina aty Antananarivo avokoa ireo miaramila any amin'ny faritra hiaraka hetsika, raha tsy mivaly ny fitakiana. « 12 volana ny fitambaran’ny vola takianay izay zonay, namoaka naoty ny teo anivon’ny Minisiteran’ny vola halefa isaky ny roa volana ny fandoavana. Tsy izay anefa ny zava-nisy, rehefa niverina teny ny 15 mey, dia hoe miandry lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, ka tsy ekenay », hoy izy ireo. Nilaza fa tokony homena indray mandeha fa tsy potipotehana, ary efa nahazo ampahany izy ireo. Milaza ho tsy mahazo valiny mahafa-po, ka miangavy famahana olana. « Raha tsy voavaha io dia antsoinay foana ny any amin’ny faritra hiakatra dia ny farany hiteraka olana be ho an-dry zareo, ary tsy maintsy izay no hiafarany », hoy ireo ampahana miaramila misotro ronono ireo. Misy miresaka amin’izy ireo fa efa lasa ny vola fa tsy tonga any aminy. Andaniny, nitondra setriny sy fanazavana ny Foloalindahy ny Jeneraly Razafitombo Maminirina Ely omaly tany Antsirabe, niaraka tamin’ny filoham-panjakana. Nahitsy izy nilaza fa mikasika ny tambin-karama na fisotroan-dronono, dia tsy ao anatin’ny kitapombolam-panjakana, tsy zavatra hoe zon’izy ireo fa tamin’ity taona ity dia nanome « prime » ho an’ny mpiasam-panjakana ny Fanjakana, dia nandray fanapahan-kevitra ihany koa hoe mba hanome 3 volana ho an’ireo beantitra izay niasa tao anatin’ny foloalindahy. « Izay no nanomezana an’izy iny fa tsy hoe zo akory izy iny, ka raha ohatra misy ny zavatra tsy mazava dia aleo mifampiresaka eo anivon’ny foloalindahy satria ahafahanay manazava fa ny zavatra nomena teo dia « prime » telo volana ho an’ireo miaramila misotro ronono nahavita ny fanompoam-pirenena teto amin’ny Firenena », hoy ny Minisitry ny Foloalindahy ny Jeneraly Razafitombo Maminirina Ely. Somary saropady moa ity resaka ity, saingy heverina fa ny fitakiana tahaka izao dia tsy mandehandeha fahatany. Fotoana mahamaro ny fitakiana ireo heverina fa zo na tombotsoa samihafa indrindra amin’ny sehatra ara-panjakana ihany koa moa ny vanim-potoana miendrika tetezamita eto amin’ny Firenena tahaka izao. Asa hanao ahoana izany ny tohiny aorian’ny fahataperan’ilay fe-potoana 48ora satria samy manana ny heveriny ho marina sy rariny?
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-mai-2026

Tsy tokony ho be kolikoly sy hamoritra vahoaka ny manamboninahitra »

Card image cap
22-mai-2026

hoy ny Filohan'ny Synad

Card image cap
22-mai-2026

ireo hisakafo ao amin’ny PHO Resto

Card image cap
22-mai-2026

Mirongatra ny halatra tany tsy

Card image cap
21-mai-2026

aza ny fitondràna!»

Card image cap
21-mai-2026

no any Rosia Ambasadaoro 3 vaovao

Card image cap