airtel

Actualités

22-mai-2026

PRRM_Faha-60

taonan’ny Akademia miaramila

Sample post image

Tsy tokony ho be kolikoly sy hamoritra vahoaka ny manamboninahitra »

22-mai-2026

Notanterahina tao Antsirabe omaly 21 mey ny lanonana ofisialy nanokafana ny fankalazana ny faha 60 taonan’ny Akademia Miaramila Malagasy. Fihaonambe lehibe no nomanina tao amin’ny sekoly, izay nanamarika ny tantara sy ny andraikitra lehibe nentin’ity ivon pampiofanana miaramila ity hatramin’ny niorenany tamin’ny taona 1966. Napetraka ny “Vatolahy Tsokolohà”, tsangambato tsy natao ho marika fotsiny fa rohy mampiray ny lasa sy ny ho avy, hoy ny komandin’ny Akademia, ka maneho ny maha fototra ny sekoly amin’ny fanabeazana sy fanofanana ny taranaka miaramila. Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Filohan’ny Fanavaozana, Kolonely Randrianirina Michael, niaraka tamin’ny Praiminisitra sy ireo mpanolo-tsaina ambony ao amin’ny governemanta. Naneho hafatra lalina ny Kolonely Randrianirina Michael, nilaza fa ny soatoavina sy ny hafatra entin’ny sekoly dia tokony ho raikitra ao am po sy ao an tsain’ny taranaka, ho fanilo sy vatsy entina miaina ary ho fototra hanefena ny toe-tsaina sy ny fanompoana ny Tanindrazana. Nampirisika ny mpianatra sy ny manamboninahitra hitoetra amin’ny fahamendrehana sy ny fahitsiana izy, satria ny fitiavana ny asa sy ny fitiavana ny Tanindrazana no mampiavaka ny miaramila vokarin’ny Akademia, ka nanamafisany ny hoe :« Fanantenana mifototra amin’ny fahamendrehana, ny soa fianatra, ny tsara fakan-tahaka,… ». Nanamafy ihany koa fa tsy tokony ho be kolikoly na hamoriporitra vahoaka ireo manamboninahitra mivoaka avy ao fa hanompo ny firenena amin’ny fahitsiana sy ny fahamendrehana. Notsiahivin’ny Minisitry ny Foloalindahy, Jeneraly Razafitombo Maminirina Ely, fa tamin’ny volana Mey 1966 no napetraka ny taratasy nananganana ny Akademia ary tamin’ny 1 Oktobra 1966 no niorenany tamin’ny fomba ofisialy. Nambarany fa ny tsangambato famelan kafatra napetraka omaly, dia natao ho an’ny taranaka mandimby, ary amin’ny faha 100 taonan’ny sekoly vao hisy fanokafana indray, ka isaky ny 50 taona no hanamarihana izany. Nampahatsiahiviny ny hoe : “isika mandalo fa ny hafatra mitoetra”, ka izany no antony nametrahana ny tsangambato ho mariky ny hafatra tsy mety lefy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-mai-2026

Tsy anaty kitapombolam-panjakana ny fitakiana, tsy zo iny fa « prime » !»

Card image cap
22-mai-2026

hoy ny Filohan'ny Synad

Card image cap
22-mai-2026

ireo hisakafo ao amin’ny PHO Resto

Card image cap
22-mai-2026

Mirongatra ny halatra tany tsy

Card image cap
21-mai-2026

aza ny fitondràna!»

Card image cap
21-mai-2026

no any Rosia Ambasadaoro 3 vaovao

Card image cap