airtel

Actualités

21-mai-2026

Elia Rabevahiny

«Mamindra fo loatra

Sample post image

aza ny fitondràna!»

21-mai-2026

Mamindra fo loatra aza ny fitondràna ankehitriny, hoy ny filohan’ny antoko politika Otrikafo sy ny vondrona KFIM, Elia Rabevahiny, satria betsaka no fantatra fa nampiteny ny anarany teto amin’ity firenena ity! Nampiteny ny anarany ireo, hoy izy, fony teo amin’ny fahefàna. Ilay fisamborana no lasa hitsaràntsika ilay fitondràm-panjakàna fa ohatrany lasa adinontsika ny hoe inona moa no nataon’ireny olona ireny fony izy ireo teo amin’ny fitondràna? Hitanay aza hoe mbola betsaka ny olona tokony ho samborina sy hanaovana fanadihadiana tamin’ny fitondràna teo aloha. Fantantsika izao fa misy fiara 400 isa mahery no tsy hita popoaka, raha ny tarehimarika navoakan’ny fitsaràna momba ny kaonty. Mbola tsy miresaka ilay volam-panjakàna voahodinkodina aho. Rahoviana indray aza izany isika vao handray andraikitra amin’ireo tomponandraikitra tamin’ireny raha tsy izao? Misy olona amin’izao fotoana hita hoe mody manohana ilay fitondràna hanafenany ny tsy nety nataony teo aloha, raha tsy hiresaka fotsiny mikasika ny vary safiotra, ohatra. Isan’ny nanohitra izany ny Otrikafo. Fantantsika izany fa hamotika ny fihariana vary eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Misy olona tomponandraikitra nampiditra ireny izao mody milaza ho manohana ilay fitondràna fanavaozana. Betsaka ny toy izany fa tsy izay resaka vary safiotra izay fotsiny. Tsy mbola hita hatreto hoe tsy fitovian-kevitra ara-politika no nisamborana ilay olona fa ny hita dia hoe inona no andraikitr’ilay olona tamin’ny fitondràna teoa aloha? Inona no nataony mahatonga ny fisamborana azy? Tena tokony ho saziana izay nanao ny tsy nety teto amin’ity firenena ity fa manjary tsy misy arofanina ho anay anaty fitondràna fanavaozana amin’izao fotoana izao! Ohatra ho an’izay anaty fitondràna fanavaozana ankehitriny ireny mba hitandrina fa tsy hoe hanao izay tiany atao satria anaty fitondràna. Izay no risika amin’ilay fikaonandoham-pirenena raha tsy mitandrina isika. Tsy tokony ho fanadiovana ny tsy nety nataon’ny teo aloha ny fikaonandoham-pirenena! Ny fikaonandoham-pirenena dia tokony hoe nisy notakiana teto amin’ity firenena ity. Nisy ny efa voavaly. Misy mbola miandry. Hanohizana ny famaliana mbola tsy voavaly teny amin’ny tolona izany ny fikaonandoham-pirenena. Ohatra amin’izany ny resaka fandravàna ny andrim-panjakàna rehetra izay hitantsika fa mbola misy voatazona amin’izao fotoana izao. Ny fifidianana lehiben’ny fokontany tokony hiadian-kevitra! Ahoana ny fomba ahafahan’ny malagasy manan-jo hifidy lehiben’ny fokontany tiany hitondra azy? Izany no santionan’ny tokony hivoaka anaty fikaonandoham-pirenena fa tsy hoe izay nangalatra rehetra teto amin’ity firenena ity dia diovina anaty fikaonandoha. Ny resaka hoe forongony dia tsy resaka olona fa fomba fanao politika. Tsy afaka hiteny isika fa tsy misy ilàna azy avokoa izay niaradia tamin’ny fitondràna teo aloha. Ny fitantanana firenena dia mizara 2, ahitàna mpanao politika sy tekinisianina. Mbola manana dosie be dia be ao amin’ny firenena mikambana toy ny resaka nosy manodidina sy tendron’ny faritra atsimo izao i Madagasikara. Inona no tokony ho tombony ara-toekarena amin’ireny tekinisianina notendrena hisahana diplaomasia ireny na dia efa niara-niasa tamin’ny fitondràna teo aloha aza izy. Sahirana tamin’ny fanendrena ambasadaoro ny teo aloha nefa ny amin’izao mihazakazaka. Tokony hihazakazaka koa no dikan’izany ny tombony ho azontsika amin’ireny fanendrena ireny avy amin’ilay firenena nanendrena azy ireo, hoy hatrany i Elia Rabevahiny.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-mai-2026

no any Rosia Ambasadaoro 3 vaovao

Card image cap
21-mai-2026

telo volana, mbola mila ezaka be…

Card image cap
21-mai-2026

antsy ny vadiny sy ny zanany mirahavavy

Card image cap
21-mai-2026

amoron-dalana mibahana lalam-bahoaka

Card image cap
20-mai-2026

Fanjakana, nanolotra 150 tapitrisa Ar »

Card image cap