airtel

Actualités

24-mai-2024

Ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro

«Tokony handray andraikitra ny sehatra tsy miankina»

Sample post image

Tokony handray andraikitra koa amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny sehatra

24-mai-2024

tsy miankina, hoy ny minisitry ny tontolo iainana sy fampandrosoana maharitra na MEDD, Max Andonirina Fontaine, omaly nanokatra ny FIM andiany faha 18 tetsy Tanjombato. Nahita isika, ohatra, teo, hoy izy, ao anatin’izao Foara izao hoe misy orinasa manodina voatabia ho «Ketchup». Tsy hay ny mety ho loza ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro. Mety hihena ny vokatry ny fambolena. Mety harefo ireo tantsaha. Izany, noho izany, no hanentanana tanteraka ireo orinasa malagasy mba handray andraikitra amin’io paikady nasionaly voalaza teo io. Efa moa koa ny lalàna iraisampirenena ho fiarovan’ireo orinasa ny tontolo iainana. Tokony manaraka ireny koa ny orinasa malagasy. Ny MEDD dia vonona hanampy ireo orinasa malagasy rehetra ho amin’izany ady izany, hoy hatrany ny tenany. Misy ny lalàna sy fepetra maro novain’ny fitondram-panjakana mba hanampiana ireo mpandraharaha eto Madagasikara, hoy ny minisitry ny raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Isany, hoy izy, ny lalàna vaovao mikasika ny fampiasana vola, na fampiasana vola anatiny io na fampiasana vola vahiny. Eo koa ny lalàna vaovao mikasika ny harena an-kibon’ny tany izay ho hitantsika miandalana eo moa any anaty tambazotra rehetra any hoe inona avy izany? Betsaka ny ezaka efa natao ary efa napetraka avokoa ireo faritra ahafahana mandray sy mampiasa ireo vola vahiny na ZES na «Zone économique spéciale». Eo koa ny toerana voatokana handraisana fampiasana vola vahiny eo amin’ny sehatry ny fizahantany amin’ny alalan’ny fanorenana ireny trano fandraisam-bahiny lehibe ireny, izay mifandray tokoa amin’ny paikady nasionaly mikasika ny tontolo iainana satria isika tsy afaka handray fotsiny amin’ireny toerana fandraisam-bahiny lehibe ireny, indrindra, toerana arovana fa tsy maintsy mampiasa arofenitra koa izany ny fampiasam-bola vahiny, hoy hatrany izy.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

16-janv-2025

Goavana ny fanarenana miandry, raha ny toekarem-pirenena eto Madagasikara no asiana resaka.

Card image cap
16-janv-2025

Nipoitra indray ny Kolonely Charles Andrianasoavina izay isan’ny nanamarika ny tantara tamin’ny 2009

Card image cap
16-janv-2025

Nanomboka ny alatsinainy 13 ka nifarana ny alarobia 15 janoary 2025 tao amin’ny trano fivorian’ny Minisiteran’ny

Card image cap
16-janv-2025

Efa nahazatra ireo mpikirakira fifandraisan-davitra toy ny amin’ny alalan’ny finday hatramin’izay

Card image cap
16-janv-2025

Hita ho tena sahirana ny vahoaka malagasy, raha ny mikasika ny sosialim-bahoaka tamin’iny taona 2024 iny,

Card image cap
16-janv-2025

Niato sahady indray ny rotsak’orana izay neverina hifampitohy tao anatin’ny 3 andro,

Card image cap