airtel

Actualités

25-janv-2024

Ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny Jirama

Nahomby ve ny fiaraha-miasa tamin’ny Bianco ?

Sample post image

Nisy omaly ny fanavaozana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny

25-janv-2024

Orinasa Jirama sy Bianco mikasika ny ady amin’ny kolikoly sy fametrahana mangarahara amin’ny tontolon’ny herinaratra eto Madagasikara. Nisolo tena ny Jirama ny Tale Jeneraly mpisolo toerana Atoa Rasoava Haingomampianina, raha toa ka ny Tale Jeneraliny Atoa Andrinirina Laza Eric Donnat kosa no nisolo tena ny Bianco. Ny 17 jolay 2018 no nanombohan’ny fiaraha-miasa, ary nohavaozina, ka haharitra 3 taona indray izany, vatsian'ny Banky Eoropeanina momba ny fampiasam-bola vola. Nambara, fa tanjona ny hanatsarana ny fitantanana ny famatsiana herinaratra sy rano eto Madagasikara, indrindra amin'izao fanatrarana ny tanjona ny hampisitrahana « Herinaratra ho an’ny rehetra » izao. Tao anatin’ny taona maro, nisedra olana momba ny kolikoly maro ny Jirama, toe-javatra izay nihamafy tamin’ny taon-dasa teo. Lasa sakana ho an’ny ezaka hanararana ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy na ODD io, fa indrindra manohintohina ny fahafahan’ny rehetra misitraka angovo azo antoka sy zakan’ny rehetra hatramin’ny 2030. Mivoitra ao anatin’io ny fampiharana ny politika anatiny iadiana amin'ny kolikoly (PILCC); fampandeha ny rafitra miady amin'ny kolikoly (STAC) eny anivon'ireo sampandraharahan’ny Jirama; Fampiroboroboana ny fitsipiky ny fitondran-tena ho an'ny mpiasa; Fampiharana ny rafitra fitantanana ny ady amin'ny kolikoly (SMAC); Famaritana ireo risika mety ho ateraky ny kolikoly amin'ireo rafitra sy fomba fiasa efa misy; Hampita fitarainana voarainy mba hampiharana ny lalàna sy hametrahana ny tenany ho antoko sivily mandritra ny fanadihadiana ataon'ny Bianco. Notsipihin’ny Tale Jeneralin’ny Bianco Andrinirina Laza Eric Donnat, fa zava-dehibe ity dingana vaovao ara-piaraha-miasa ity, izay mikendry ny fanohanana ny Jirama amin’ny ezaka ataony hanatsarana ny endriky ny Jirama na ivelany na anatiny. Nambara fa hiteraka endrika vaovao ho an’ny Jirama araka ny andrasan’ny vahoaka Malagasy aminy io. Zava-dehibe ny finiavana tahaka izao, fa fanontaniana azo apetraka kosa ny hoe : voalaza fa fanaovaozana ny fiaraha-miasa ity natao ity satria efa ny jolay 2018 no natomboka izany hoe efa 6 taona latsaka kely izay ka nisy fahombiazana ve ilay fiaraha-miasa tao anatin’izany raha tarafina tamin’ireo kolikoly maro : aferan-tsoliky ny Jirama, mpitantana nifampizara vola amina miliara, zaridaina nandaniana amina miliara, minisitra nidongy fiara vidiana amin’ny volan’ny jirama, Tale Jeneraly lasa nitsoaka any ivelany noho ny resaka kolikoly,…? Manginy fotsiny ny delestazy sy fahatapahan-drano mandavan-taona izay mety ho noho ny olana ara-teknika sy ara-bola fa mety tafiditra ihany koa ny tsy fahaiza-mitantana sy ny kolikoly!?
Toky R


 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap