Tapitra hatreo ilay mangataka tolo-tanana vao mihetsika fa hanome ny enti-manana ny fitondram-panjakana, hoy Fanjakana. Miditra amin'ny ampahany faharoa ao anatin’ny dingana voalohany amin’ny fanombanana an'i Madagasikara amin’ny fanatanterahana ny fifanarahana amin'ny firenena mikambana mikasika ny ady amin'ny kolikoly (CNUCC) isika amin’izao fotoana. Fanombanana mahakasika ny fisorohana ny kolikoly sy ny famerenana amin'ny fanjakana ny harena azo tamin'ny tsy ara-dalàna fa indrindra ny kolikoly sy ny famotsiam-bola tanterahan’ireo matihanina avy any Djibouti sy Tanzanie manomboka omaly 30 Jona hatramin'ny 2 Jona 2026 etsy amin'ny Novotel Alarobia. Notsindrian'ny Tale Jeneralin’ny BIANCO Razakamanantsoa Gaby Nestor fa tsy fanombonana hiafara amin'ny fikilasiana na fandraisana sazy izy ity fanombanana ahafahana mitily ireo fahaiza-manao sy ireo lesoka sy fanamby mila apetraka sy hatsaraina. Namafisin' ny Praiminisitra, Mamitiana RAJAONARISON nandritra ny lahateniny fa isika ihany no «maitre» amin'ny ady amin'ny kolikolintsika satria isika no hahazo tombony amin'io. Tapitra hatreo hoy izy ilay mangataka tolo-tanana vao mihetsika fa hanome ny enti-manana amin'ny ady amin'ny kolikoly ny fitondram-panjakana. Rehefa tsy ampy ny antsika vao manampy ny hafa hoy izy. Nangataka ny tsy hanafenana ny zavatra misy momba ny resaka kolikoly eto amintsika moa ny tenany ary mangataka ireo mpanao tombana ihany koa izy ny tsy hitsitsiana an’i Madagasikara mandritra ny tombana atao. Marihana fa hisy ny soson-kevitra havokan'ny mpanombohana aorian'ity fihaonana haharitra telo andro ity.
Lalaina Rav