airtel

Actualités

26-août-2026

Ady tany ao Antanetilava 2

Didim-pitsaràna im-balo

Sample post image

tsy nahavaha olana

26-août-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amina fianakaviana iray sy mpividy tany amin’ny toerana antsoina hoe Ankoradava, fokontany Antanetilava 2, kaominina Betampona, distrika Fenoarivo Atsinanana, hoy ny fampitàm-baovao voaray omaly. Efa ho 6 taona izay no nisian’ny ady, hoy ny fanazavàna. Lehilahy iray antsoina hoe Marozara no nividy tany tamin’ny ray aman-dreniny ary namboleny voly isan-karazany io tany io. Rehefa narary izy taty aoriana dia namidiny tamin’i Kornel ny ampahany tamin’io tany io tamin’ny 2020, niampy ampahany hafa tamin’ny 2021. Mirefy 5Ha ny fitambarany, izay namidy 90.000.000 Ariary, voarakitra an-taratasy fanamarinam-barotra. Araka ny fanisàna foto-boly nataon’ny fokonolona tamin’ny 10 martsa 2020, nahitàna jirofo 2000 fototra sy voanio 40 ary litchi 20 fototra, miampy soanambo sy kininina io tany io. Voamarin’ny fokonolona sy voarakitra an-taratasy fa an’i Marozara izay nivarotra ny tany tokoa ireo voly ireo ary efa niroso tamin’ny dingana fangatahana ny tany tamin’ny biraon’ny fananan-tany rahateo izy tamin’ny taona 2004. Taorian’ny fahafatesan’i Marozara anefa dia niadivan’ny mpiray tampoho aminy ilay olona nividy tany. Lazain’izy ireo fa tany lova mbola itambaran’izy 15 mianadahy io namidin’i Marozara io ary nambarany fa nitarin’i Kornel ho 9Ha koa ilay 5Ha novidiany. Io no anton’ny fiampangàna nataon’ireto fianakaviana ireto tany amin’ny fitsaràna ambaratonga voalohany ary efa niakatra hatrany amin’ny fitsaràna mpandrava didy. Didim-pitsaràna miisa 8 no efa nivoaka ary nandresy ireo milaza ny tany fa lova sy nisy fanitarana. Tsy nanaiky anefa ny andaniny satria tsy mifanaraka amin’ny zava-misy voamarin’ny fokonolona sy ny tangalamena ny didy nivoaka. Mba hisian’ny fanapahan-kevitra marina sy ara-drariny dia nahazo baiko avy amin’ny fitondràm-panjakàna ny lehiben’ny fileovana Fenoarivo Atsinanana, nijery ny zava-misy marina tao Antanetilava, Betampona. Tapaka tamin’ny dinika fa hifampiresaka manokana amin’ny andaniny sy ny ankilany ny prefe sy ny tomponandraikitra rehetra voakasika. Ilaina ny fidinana ifotony toy izao, hoy ny Prefen’i Fenoarivo Atsinanana, Henri Jocelyn, ijerena ny tena zava-misy marina iainan’ny vahoaka mba tsy hisian’ny teny midina tsy mifanaraka amin’ny marina sy ny rariny. Etsy an-daniny anefa, mitaraina ny mpividy ny tany fa tapahin’ny andaniny ataony lasantsy ny ravina jirofo amin’io tany io ankehitriny na dia mbola tsy voalamina aza ny ady, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-août-2026

fahaverezam-panahintsika!»

Card image cap
26-août-2026

maso sy fisavana ny Minisitera

Card image cap
26-août-2026

Madagasikara hizorana

Card image cap
26-août-2026

120 tapitrisa dolara fa tsy 77

Card image cap
26-août-2026

Nifanekena ny hanatsarana ny tolotra « mobile money »

Card image cap
26-août-2026

Nisy fanolorana sakafo sy trano tao Agnarafaly

Card image cap