airtel

Actualités

27-oct-2025

Afera famotsiam-bola goavana 20 miliara dolara

Manamafy ny fandetehana an-dRavatomanga ny Maorisianina…

Sample post image

Tonga amin’ny ambaratonga iraisam-pirenena

27-oct-2025

ny raharaha Mamy Ravatomanga taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny Financial Crimes Commission (FCC) ao Maorisy. Araka ny tatitra navoakan’ny gazety L’Express.mu omaly 26 Oktobra 2025, tsy i Mamy Ravatomanga izay olona akaiky an’i Andry Filohan’i Madagasikara teo aloha izay niongana irery intsony no voakasika amin’ity raharaha ity fa tambajotra ara-bola midadasika sy sarotra, ahitana fifandraisana amin’ny firenena maro no miseho. Vola mitentina 640 tapitrisa dolara amerikana na mihoatra ny 30 miliara roupie maorisianina na 2894 miliara Ar no voamarina fa nampiasaina tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, nampidirina sy nampitaina tamin’ny banky ao Maorisy, ary nezahina nafenina tamin’ny alalan’ny orinasa amin’ny fiseho ivelany fotsiny na « sociétés-écrans », izay tsy tena miasa fa natao hanakonana ny tena tompon’ny vola. Ankoatra an’i Mamy Ravatomanga, maromaro ireo efa nosamborina. Araka ny nambaran’ny FCC, dia voarohirohy ho tafiditra amin’ny raharaha fanadiovana vola goavana mitentina mihoatra ny 20 miliara dolara amerikana (any amin’ny 90000 miliara Ar mahery raha vola Malagasy) i David Jean Christian Thomas, izay mifandray amin’i Mamy Ravatomanga. Nilaza ireo mpanao fanadihadiana fa manana antony ara-dalàna ahafahana mino izy ireo fa i Thomas, niaraka tamin’olona hafa, dia nandray anjara tamin’ny fanafenana vola avy amin’ny loharano tsy ara-dalàna izay nampitaina tamin’ny alalan’ny rafitra informatikan’ny banky iray tao Maorisy, mba hanafenana ny niavian’ireo vola ireo. I Mamy Ravatomanga, mpandraharaha malagasy no voatondro ho fototra sy mpitarika amin’io tambajotra io. Ny vola dia ahiahiana fa avy amin’ny asa tsy ara-dalàna, ary nampiasaina amin’ny rafitra ara-bola manjavozavo, ka namotsy vola (blanchiment d’argent) tamin’ny alalan’ny famindrana sy fanodinana izany ho toy ny ara-dalàna. Manana orinasam-barotra maro i Ravatomanga, miainga amin’ny fananan-tany, harena voajanahary, sy sehatra hafa, izay ahiahiana ho ampiasaina amin’ny famotsiam-bola. Io no antony naha-voasambotra azy sy naha-naato ny kaontiny sy ny orinasa sasany misy anjara fananany, hoy ny vaovao Maorisianina.

DOSIE HATRANY AMIN’NY 63
Tsy voafetra amin’ny hosoka ara-bola tsotra fotsiny eto an-toerana ny raharaha, fa mampiseho tambajotra goavana sy mivelatra amin’ireo rafitra ara-bola ao Maorisy sy any ivelany. Nanao fanadihadiana lalina ny FCC momba ny fitantanam-bola sy ireo orinasa nampiasainy hanafina ny niavian’ny vola. Nahitana tambajotra sarotra misy firenena maro no ifandraisana, ary nanao bemidina amin’ny orinasa sasany tafiditra amin’ny vondrona SODIAT ny FCC. Dosie miisa 63 sy fitaovana maro no nogejaina sy nalaina ho porofo. Nisy ihany koa taratasy ara-bola vaovao hita, mampifandray ity raharaha ity amin’ny dosie tranainy tamin’ny 2011, izay natsahatra noho ny tsy fisian’ny fiaraha-miasa tamin’ny manampahefana malagasy. Tamin’izany fotoana izany, nitsahatra ny fanenjehana azy noho ny kolikoly sy tsy fisian’ny fanohanana ara-politika. Ankehitriny anefa, voaangona ny porofo vaovao ka voasokatra indray ilay raharaha. Misy tranga hafa koa nipoitra, toy ny fikasana hanao tsindry sy kolikoly tamin’ny mpitandro filaminana iray, izay tratra sy voasambotra. Na dia tsy mazava tanteraka aza ny toe-pahasalamany amin’izao fotoana izao, dia mazava ny finiavan’ny manampahefana maorisianina hanohy ny fanadihadiana.
METY MBOLA HIITATRA
Mety mbola hisy fisamborana olona hafa atsy ho atsy. Raha mitohy izao fanadihadiana izao, dia mety hihitatra hatrany amin’ny sehatra ambony ara-politika sy ara-toekarena eto Madagasikara sy any ivelany ny fiantraikan’ity raharaha ity. Tsy resaka “Saga Mamy” anarana niantsoan’ny Maorisinina ny raharaha intsony izao, fa raharaha raharaha manan-danja amin’ny fahamarinana sy ny fanadiovana ny rafitra ara-bola sy politika. Mangotraka ny raharaha Mamy Ravatomanga sy ny ekipany atsy Maurice ka tsy mamela mahazo ny FCC hatreto satria navoakan’ny Express.mu fa nikasa hanao kolikoly i Nasser Bheeky ilay saika hitsoaka ka voasambotra teny amin’ny seranam-piamanidina. Asa na misy ifandraisany amin’io ny fametraham-pialan’ny Kaomisera iray eo anivon’ny FCC Junaid Haroon Fakim ny faran’ny herinandro teo ? Ho an’ny manam-pahefana Malagasy, dia efa nampitaina any amin’ny INTERPOL ny fangatahana fisamborana iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny « Notice Rouge » mikasika an’I Mamy Ravatomanga. Henjana sy avo lenta ity raharaha ity ! Hanao ahoana ny tohiny ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

10-févr-2026

fanakorontanana sy tranga misesy fa efa vita kajy !

Card image cap
10-févr-2026

Ny servisy momba ny fitaovam-piadiana no tena lasibatra

Card image cap
10-févr-2026

Novonoin’ny olona tamin’ny 51 taona lasa»

Card image cap
10-févr-2026

Hamakivaky an’Atsinanana, Alaotra, Analamanga,…,

Card image cap
10-févr-2026

ny fanaraha-maso ny Fanjakana

Card image cap
10-févr-2026

Mariky ny fitiavana olona iray ny fanolorana

Card image cap